Tombony roa lehibe ny fisian’ny fampisakafoanana ny mpianatra an-tsekoly, voalohany, mitarika ny fahazotoan’ireo ankizy hiatrika ny fampianarana isan’andro ary mampitombo ny tahan’ny fidirana an-tsekoly. Ny tombony faharoa, hisy fiantraikany tsara amin’ny faharanitan-tsaina ny fihinanan’ny mpianatra sakafo ara-pahasalamana na io eo amin’ny fatra na kalitao. Izany indrindra no antony nametrahan’ny foibem-pirenena […]
Fiaraha-monina
Moramanga: fotodrafitrasa maromaro natao manara-penitra
Nanolotra ny asa vita tao amin’ny fokontany Antanamandroso- Est sy Ouest, kaominina Moramanga ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana (SENVH) ny asabotsy teo. Nohavaozina sy nampanarahana fenitra tanteraka ny lakandrano mirefy 574m ary ahitana dalot miisa telo izay handrindra ny fitarihan-drano sy hiaro amin’ny tondra-drano. Tsizarizary, niteraka loto […]
Fanalana fako: hiasa andro aman’alina ny kamiao
Nampahafantatra ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra fa hohafainganina ny fandraofana ny fako eto an-tanàna, hahafahana miatrika ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ao anaty fahadiovana. Misy fiantraikany amin’ny ora fiasana izany ka hitombo ny ora fivoahan’ireo kamiao mpitatitra fako amin’ny atoandro. Manantitra ny fialantsiny ny CUA amin’ny mety ho […]
Covid-19: faritra enina arahi-maso
Manao ny ainy tsy ho zavatra miasa andro sy alina ny mpiasan’ ny fahasalamana anatin’ ny ady amin’ny aretina Covid-19. Mbola faritra enina no ahitana ny valanaretina. “Mitohy ny asa, indrindra eny amin’ireo faritra mbola ahitana trangana Covid-19, izay arahi-maso manokana”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Arivelo Zely, […]
Krisimasy sanjila : loka isan’andro ataon’ny MVola
Manokatra lalao Tombolà amin’izao fetin’ny krisimasy sy faran’ny taona izao ny MVola, nomeny ny anarana hoe «Krisimasy sanjila». Lalao ahazoana loka isan’andro sy isan-kerinandro ary hisy loka goavana amin’ny 22 desambra 2022. Miisa 131 ny olona hizarana loka amin’izany. Tsotra ny fandraisana anjara. Mahazo ny CBM2 Vola, ampiasana ny karatra […]