Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ao Ihosy ny QG “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izay ahitana ny Upar, IFI, CS-ANR, AFF, T2MI, RPR, FIZAFAFI, TMH, FREEDOM sy ireo vondrona antoko hafa. Tanjona amin’izany ny fampandaniana ny laharana fahatelo amin’ny fifidianana izay hatao ny 16 novambra 2023 ho avy izao. Vahoaka […]
Fiaraha-monina
Edugascar – Filatex : nanome tohana ho an’ireo vahoaka sahirana
Nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao Ambatondrazaka nandritra ny efatr’andro (9 – 13 oktobra 2023 lasa teo) ny ekipan’ny Edugascar izay miara-miasa akaiky amin’ny vondrona Filatex sy ny Enelec. Dokotera 19 mianadahy no tonga tany an-toerana nanao fizaham-pahasalamana ho an’ireo vahoaka sahirana. Teo ireo nanana olana momba ny maso, teo koa ireo […]
PFSCE : tokony handanjalanja ny fitaovana ampiasainy ny mpitandro filaminana
Manoloana ny tranga niseho teny Itaosy, ny herinandro lasa teo, nandefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo olona nanao diabe, nifanila tamin’ny CSB II ny toerana nilatsahany ka nanempotra ireo zaza tao anatiny. Nanameloka ny fampiasana ny fitaovana tahaka ireny manakaiky toeram-pianarana, toeram-pitsaboana na faritra ahitana ankizy ny Vovonan’ny firaisamonina […]
Fiofanana mifandimby : napetraka ny komity mpitantana
Taorian’ny fandaniana ny didim-panjakana mahakasika ny fiofanana mifandimby eo ambanin’ny sata mifehy ny fianarana, ho an’ny fampianarana teknika sy ny toeram-piofanana arakasa ary ny anjerimanontolo, nivory ireo mpiantsehatra rehetra teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, ny herinandro lasa teo. Miara-miasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny GEM, ny […]
Olona manana fahasembanana : zava-dehibe ny fandraisana azy ireo hiasa
Ankoatra ny fampiroboroboana ny fiahiana sosialy, imasoan’ny Cnaps sy ny mpampiasa koa ny fanomezana andraikitra ny olona manana fahasembanana satria zo fototra izany. Nanao fihaonana niaraka amin’ny fikambanan’ny tale misahana ny mpiasa ny tomponandraikitry ny Cnaps, ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe. Niompana tamin’ny lohahevitra maromaro ny dinika : fizarana ny […]




