Niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny fikatonan’ny tranokalam-pifandrasaina manodim-bola iray, omaly. Roboka tamin’ny fisiana tranokala iray milaza ho mpanodim-bola ny ankamaroan’ny tanora sy ireo maniry ny hampitombo vola vetivety. Mametraka vola anatin’ny tranokala mpikirakira ny olona iray. Manana rindrambaiko « logiciel » manokana misahana izany ilay tranokala. Tena nahasarika […]
Fiaraha-monina
Ambatovy-Moramanga: niomana amin’ny loza ny BNGRC
Nifanome tanana tamin’ny lehiben’ny distrikan’i Moramanga ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Tanjona ny hanatsarana ny fiomanana amin’ny mety ho fisian’ny loza mitranga tampoka sy tsy nahy ateraky ny fitrandrahana ataon’Ambatovy ao an-toerana. Voakasika manokana ireo mipetraka sy ireo manana anton’asa manodidina ny toeram-pitrandrahana […]
Japon: misokatra ny vatsim-pianarana-Mext 2024
Mahaliana tanora maro ny fianarana any Japon noho ny lentan’ny fahaizana any amin’izany firenena izany. Misokatra hatramin’ny faran’ny volana janoary ny vatsim-pianarana-Mext 2024. Misokatra indray ny vatsim-pianarana Mext 2024, karakarain’ny governemanta japonais. Ho an’ireo mpianatra teny sy kolontsaina japonaise eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ho an’ireo mpampianatra amin’ny EPP hatramin’ny Lycée. […]
Holafitry ny infirmiera: hentitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny filoha
Tontosa ny herinandro lasa teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo alohan’ny Conim (Conseils de l’Ordre national des infirmiers à Madagascar) sy ny filoha vaovao, Andrianarison Jean Aimé Botosera. Hentitra ity filoha vaovao ity, indrindra amin’ireo misandoka ho “infirmiers”, kanefa tsy manaraka fenitra mahakasika izany. Voakasik’izany avokoa, hoy izy, na […]
Lalam-piofanana teknika: mahasarika tanora maro, mora ahitana asa haingana
Mahasarika tanora maro ny lalam-piofanana teknika eto Madagasikara. Azo lazaina ho toeram-panofanana manampy ny ankizy hahita asa avy hatrany izy io, raha ny fanadihadiana natao. Antony iray mahamaro sy mahatonga ny ankamaroan’ny ankizy sy ny tanora misafidy io lalam-piofanana iray io ny fitsinjovana ny asa hatao. “Efa misy taranja iray […]





