Vehivavy avokoa ny 56% ireo farmasianina matihanina miisa 400 mahery eto Madagasikara. Mbola ambony koa ny tahan’ny vehivavy manaraka izany lalam-piofanana izany ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo sy Mahajanga. “Manaporofo izany fa mitoetra eo amin’ny fiarahamonina ny firotsahan’ny vehivavy maro eo amin’ny taranja siantifika sy ny asa ara-pahasalamana”, hoy ny Holafitry […]
Fiaraha-monina
CFP Foulpointe: Afaka miasa avy hatrany ny mpianatra
Mbola nitohy ny hetsika ataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, any amin’ny faritra Analajorofo, omaly. Tao Fenoarivo Atsinanana izy no nanao ny hetsika « Fijery hafa ». Talohan’izay, nitsidika tao Foulpointe ny delegasionina ka maneho ny fahombiazana amin’ny fanofanana tanora ny CFP Foulpointe. Porofon’izany ny fahafahan’ireo mpianatra […]
Toliara: Miato ny fampianarana, ny asa ary ny fitaterana
Tsy afa-bela i Toliara. Handravarava any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy indray ilay rivodoza Jude. Tsy mbola tafarina akory ny fahavoazana teo aloha dia efa izao manafika izao indray ny manaraka. Tapaka tanteraka ny famatsian-jiro sy ny lalam-pirenena faha-7 iny raha ny tatitry ny prefektoran’i Toliara vokatry ny rivotra sy orana […]
Tsy fanjarian-tsakafo: Nametraka fanamby enina hotanterahina hatramin’ny 2030 i Madagasikara
Isaorana ny fahasahian’ny fitondrana nandray ny fanamby hitondrana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030, hoy ny vovonana Hina. Hanohana amin’ny drafitrasa hanatrarana izany ny fikambanana 600 mandrafitra ny Hina. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny andraikitra horaisin’ny fanjakana malagasy ho an’ny fihaonana an-tampon’ny […]
Tetikasa Lac Iarivo-Ivato : Nilamina ny mponina rehefa nahazo fanazavana
Nihaona mivantana tamin’ny mponina ao amin’ny kaominina Ivato voakasiky ny tetikasa Lac Iarivo ireo tomponandraiki-panjakana, omaly. Nitarika ny delegasiona ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard, miaraka amin’ny governoran’Analamanga Rasoamaromaka Hery, sy ireo tomponandraikitra rehetra. Taorian’ny fanazavana natao dia niaiky ireo mponina fa nanao fanorenana […]