Mpianatra 25 mianadahy avy ao Mahajanga no voafantina handray anjara amin’ny fandaharam-pianarana “English Access Microscolarship”. Notanterahina tao amin’ ny Lycée Philibert Tsiranana ny fizarana mari-pankasitrahana mifanaraka amin’izany, ny faran’ny herinandro teo. Maharitra roa taona ny fandaharam-pianarana izay tohanan’ny masoivoho Amerikanina ary tantanin’ny Saint Gabriel Mizara. Mampitombo ny fifankafantarana sy fifanakalozana kolontsaina […]
Fiaraha-monina
Andron’ny zokiolona: miohatra ny 60 taona ny 4,5% amin’ny Malagasy
Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona, omaly. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. Nambarany tamin’izany ny hanomezan-danja ireo ray aman-dreny sy zokiolona. «Misokatra eo anivon’ny sokajin’olona samihafa ho fandavorariana sy fampiatiana ara-tsosialy sy ara-toekarena», io no lohahevitry ny fanamarihana ny […]
Fakana an-kery mateti-pitranga: mampiaka-peo ireo manana toe-tena “varira”
Nanao antso avo ny fikambanana ivondronan’ireo olona manana toe-tena varira. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, nanao fanambarana izy ireo, afakomaly Mitaintaina sy mandry an-driran’antsy, ary mahatsiaro tena ho tsy misy mpiahy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny trangana fakana an-keriny niseho tato ho ato. “Ankilabao ny olona manana toe-tena varira satria […]
Ensoa : kaomandy vaovao ny Kly Razafitombo Leva
Ny Ensoa (Ecole nationale des sous officiers de l’Armée) dia sekoly fanofanana ireo manamboninahitra lefitra malagasy. Tontosa tao Antsirabe, omaly, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny Ensoa teo aloha, ny Kly Ratsarahevitra Andriamisetra sy ny kaomandy vaovao, ny Kly […]
Oniversite Fianarantsoa: mankalaza ny faha-40 taona ny ENI
Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Anisan’ny sekoly ambony mamokatra mpianatra sangany amin’ny sehatry ny informatika ny ENI. Manaporofo izany indrindra ny firohotry ny tanora na avy aty an-drenivohitra aza tonga mandrato fianarana any Fianarantsoa raha handalina ny tontolon’ny informatika […]





