Fiaraha-monina

Fahasalamana: tonga eny amin’ny CSB ny « fonds de premiers soins d’urgence »

Ho maimaimpoana manomboka izao ny fandraisana an-tanana ireo olona tra-doza tampoka tonga eny amin’ny CSB. Vonjy aina no hatao ary iantohan’ny fanjakana ny fanafody sy ny fitaovana ilaina amin’ny fameloman’aina sy ny famonjena tsy maintsy hatao. Hisitraka ny « fonds de premiers soins d’urgence » na ny fandraisana an-tanana voalohany ho an’ny […]

APM sy FSMM : tsy tokony hadroahana mpiasa ny politika

Manoloana ny raharaha hanenjehana ny ka­ma­rady Rakotoarisoa Alban, antsoina hoe babà, delegen’ny sendikà SVS. Na­nao fanambarana ny Fiom­bo­namben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) sy ny Antoko politika madio omaly, tetsy Antsahavola. Nilaza izy ireo fa tsy manaiky ny fanaovana antsojay sy fandroahana mpiasa noho ny fanehoan-kevitra politika. Tsy misy tokony ho […]

Minisitry ny fiarovam-pirenena : notsidihin’ny delegasion’ny Firenena mikambana

Tsy nisy nipika ny resaka nandritra ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny delegasionina, solontenan’ny Firenena mi­kambana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena tetsy Am­pahibe, omaly. Nisolotena ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, ny « Représentant spécial du Secrétaire général des Nations-Unies auprès de l’Union africaine et Chef du Bureau des Nations-Unies auprès de l’Organisation […]

Forum Handicap emploi : manan-jo hiasa ny olona manana fahasembanana

Tontosa omaly ny fihaonamben’ny fampananan’asa ho an’ny olona manana fahasembanana na “Forum Han­dicap Emploi”, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Andiany voalohany ny hetsika, teo ambany fiahian’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra, Andriantsitohaina Naina. Tanjona ny hahafahan’ny mpampiasa, ny vondron’ny mpampiasa ary ireo mpise­hatra ny maha olona eny anivon’ireo orinasa mihaona sy mihaino […]

Famarinana olona : anatin’ny lisitra faharoa arahi-maso i Madagasikara

Tato anatin’ny roa taona nifanesy, tafiditra ao anatin’ny lisitra arahi-maso sokajy faharoa ny laharana misy an’i Mada­gasikara amin’ny ady amin’ny famarinana olona an-tsokosoko. Fantatra izany araka ny tatitra avy amin’ny departemantam-panjakana amerikanina momba ny famarinan’olona. Ny alarobia teo koa no nitsidika ny mpanolotsaina voalohan’ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, ny delegasiona […]