Lasa aretina mateti-pitranga ny aretin’ny voa, ankehitriny . Mitondra fanazavana mikasika izany ny Profesora Randriamanantsoa Lova. Mandrindra ny tosidra, manary ny loto anatin’ny vatana ary mamorona ny selamena anaty ra no asan’ny voa. Azo sokajina ho roa ny tsy fanaovan’ny voa ny asany, raha ny fanazavana entin’ny profesora Randriamanantsoa Lova. […]
Fiaraha-monina
Fandrindrana ny fitaterana : nofanina ireo cadenceur
Nomena fiofanana ireo cadenceur miandraikitra ny fandrindrana ny taxi-be eny amin’ny fiantsonana, tamin’ity herinandro ity. Niandraiketan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, tamin’ny alalan’ny fitaleavana foibe miandraikitra ny fampiroboroboana ny fampananan’asa (DGPE) ny fiofanana. Teo koa ny fivondronan’ireo kaoperativam-pitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Niompana tamin’ny lafiny fitandroana ny […]
Ankonabe Analavory: mandry andriran’antsy amin’ny fibodoana tany ny mponina
Velon-taraina ny mponina ao Ankonabe, Analavory fa bodoin’olon-tokana ny tany mirefy 1 700 ha izay misy fokontany 4 sy ankohonana an’aliny. Nidina nijery ny zava-misy ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), i Masy Goulamaly, ny faran’ny herinandro teo. Tsy rariny ny fibodoana satria efa tanindrazan’olona nifandimbiasana tamin’ny ray […]
Orinasa manana vehivavy mpiasa mihoatran’ny 25 : Tokony hanana toerana fampinonoana, araka ny lalàna
Miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, mampiroborobo ny fahazoan’ny vehivavy mampinono ny zanany any am-piasana. Manohana ny asa ny mpiray ombon’antoka maro. Efa niakatra 54% ny tahan’ny fampinonoana ny zaza amin’ny nonon-dreny tsy misy fangarony mandritra ny enim-bolana voalohany, eto amintsika, […]
Sakafo an-tsekoly: nanolotra tohana ara-tsakafo ny Rosianina
Tontosa omaly, teny amin’ ny masoivohon’i Rosia, teny Ivandry, ny lanonana nanamarihina ny fanolorana fanampiana ho an’ny governemanta malagasy. Ny eny anivon’ny sekoly no tena hisitraka izao fanampiana izao. Niarahan’ny firenena Rosianina tamin’ny Programe alimentaire mondial (Pam) ny fanolorana izany. Ny tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nandray izany […]





