Fiaraha-monina

Seces sampana Antananarivo : “Fitakiana iray amin’ny sivy no nivaly”

Fampiharana ny fehin-kevitra tao anatin’ny filankevitra nasionaly natao ny volana jona lasa teo ny firosoana amin’ny fitakiana samihafa ho fangatahana ny hampiharana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra. Nanao hetsika miaraka amin’ny fanamiana ahafantarana azy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, eny amin’ny oniversiten’An­tananarivo, omaly. Na teo aza ny fanambaran’ny Praimi­nisitra […]

Fanabeazana: manomboka ny taom-pianarana 2023-2024

Nanomboka niditra an-tsekoly omaly ireo mpianatra, hiatrika ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Miverina amin’ny fifantohana sy fahamatorana amin’izay manomboka eo. Misy amin’ireo sekoly sasany toy ny sekolim-pinoana mbola amin’ny herinandro ambony vao tena miverina an-dakilasy ny mpianatra. Fandraisana ireo mpianatra no tena hatao amin’ity herinandro ity, fanakaikezana sy fifankafantaran’ny mpampianatra sy […]

Fampisakafoana an-tsekoly: mandrisika ny mpianatra tsy hiala an-daharana

1 200 000 no isan’ny ankizy mahazo tohana sakafao any an-tsekoly. Mampazoto  ny mpianatra  hilofo bebe kokoa izany, andaniny. Mampiroborobo ny varotra anatiny, ankilany.  Hampitomboina 10% isan-taona ny isan’ny mpianatra hisitraka ny sakafo any an-dakilasy, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, omaly, teny Ivandry. 1 200 000 amin’izao fotoana ny mpianatra mahazo […]

Areti-mifindra: niampy 20 ireo manampahaizana manokana

Notolorana mari-pahaizana ny faran’ny herinandro teo, ireo manampahaizana manokana momba ny areti-mifindra, rehefa nahavita fianarana sy fandalinana mahakasika izany. Hisahana ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ary fisorohana sy famaliana amin’ny fomba mahomby kokoa ny hamehana ara-pahasalamana mikasika ny karazan’areti-mifindra izy ireo. Efa nahita trangan’aretina lefakozatra tsy voatily maherin’ny 130 izy […]

Olan’ny oniversite: mitondra fanazavana ny Profesora Gilbert

Seces tia vola! mampikatso ny fampianarana! Izany no fiampangana ny Seces amin’izao fotoana. Mitondra fanazavana ny mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Gilbert, sekretera jeneralin’ny Seces nasionaly nandritra ny “sit-in” nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. ‘‘Tsy maharaka ny zavatra tokony hatao ety amin’ny oniversite ny fanjakana. Tsy araky ny tokony ho […]