Tanterahina any amin’ny faritra Atsinanana nanomboka omaly, ny hetsika “Iray volan’ny fiahiana sosialy”, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hiompana amin’ny lohahevitra maro ny lahadinika, ka horesahina anio, ao amin’ny Academy Centre ny mikasika ny “Régistre Sociale unique” na RSU. Fitaovana iray manan-danja mirakitra […]
Fiaraha-monina
Fondation Axian-First Immo : notokanana ireo trano vaovao 20 eny amin’ ny Akamasoa
Notokanana ny faran’ny herinandro teo, ny trano vaovao miisa 20, eny amin’ny Akamasoa, Mangarivotra. Toerana fandraisana ireo fianakaviana tsy manan-kialofana. Fiaraha-miasa amin’ny Fondation Axian sy ny First Immo ary ny Akamasoa no nahavitana izany. Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ilay fandaharanasa Tafontsika ireo trano vaovao 20, ho an’ny fianakaviana sahirana ireo. […]
Faritra Atsinanana : mpampianatra 496 tafiditra mpiasam-panjakana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny lycée Jacques Rabemananjara, ao Toamasiana. Lisea lehibe indrindra eto Madagasikara, ahitana mpianatra eo amin’ny 4000 eo ho eo. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle. Nandritra ny fotoana, nizarana taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra andiany fahasivy, voaray ho mpiasam-panjakana. Miisa […]
Toamasina : niteraka fandratrana ilay kapa lamaody
Anisan’ny mampidi-doza ny ankizy mpianatra matetika ny fanaovana ireny kapa fitondran’ny mpiasan’ny fahasalamana ireny. Vokany, nandray ny andraikiny ny teo anivon’ny CEG, Radama I, fokontany Tanamakoa ao Toamasina, tamin’ny herinandro lasa iny. Nampodiana niverina tany amin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy rehetra nanao ireny. Nosakanana vao maraina teo ambavahadin’ny sekoly mihitsy […]
Tsy ampy ny mpampivelona: 10 isan’andro ny vehivavy bevohoka maty
10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana na eo am-pitondrana vohoka noho ny tsy fahampian’ny mpampivelona. Mpampivelona 2,5 no miahy vehivavy 10000 isa eto Madagasikara. Nifampizara fahalalana tamin’ny mpanao gazety ny fikambanan’ny rasazy, omaly, teny amin’ny foiben’ny Nations Unies, Andraharo. Fihaonana nokarakarain’ny UNFPA (Agence des Nations Unies pour la santé […]





