Fiaraha-monina

covid-19 : misy tranga vaovao 19

Mbola hita eny anivon’ny fiarahamonina ny valanaretina covid-19. Manaporofo izany, indrindra ny tatitra navoakan’ ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka, satria nahitana tranga vaovao 19 indray tao anatin’ny herinandro farany. Mitontaly 26 kosa ireo mitondra ny aretina. Midika izany fa tsy mbola foana velively ity aretina ity. Miaina miaraka amin’ny fiarahamonina eny ka […]

Faritra Atsinanana: 34% ny taham-panaovana vaksiny

Ampy ho an’ny distrika rehetra mandritra ny taona ny vaksiny ao amin’ny tobim-baksinin’ny faritra Atsinanana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny an­tontan-kevitra, Rahari­ma­na­na Honoré. Nahatratra 34% ny tahan’ny fanaovam-baksiny amin’ny ankapobeny ao an-toerana. Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny aretina covid-19, anisan’ny be mpampiasa ny Janssen. 84% kosa ny tahan’ny fanaovam-baksiny […]

Hépatite B : areti-mandoza sy mamono mangina

Hotanterahina tsy hoela eto Madagasikara ny tetikasa ha­hafahana miady amin’ny aretina hépatite B. Karakarain’ny fikambanan’ny mpitsabo amerikanina, mivondrona ao amin’ny fikambanana “hépatitis B free”. Vinavinaina haharitra 3 taona ary hahiditra ao amin’ny tetikasan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny aretina maneran-tany. “Areti-mandoza, mahafaty, mamono mangina ary mora mifindra […]

Fitaovana ara-pahasalamana : 4,5 miliara Ar ho an’ny faritra dimy avy amin’ny Usaid Impact

Mitaky maripana, manaja ny fenitra takina ny fitehirizana ny vaksiny. Nahazo fitaovana arifomba avy amin’ny governemanta amerikanina i Madagasikara hanampy ireo efa amperinasa amin’izao fotoana. Nanolotra fitaovana arifomba ho an’ny fitehirizam-baksiny, mitentina 4,5 miliara Ar, ho an’i Madagasikara ny governemanta amerikanina. Amin’ny ala­lan’ny USAID Impact no naaovana izany ka tanterahin’ […]

Kaominina Fenoarivo : olona maro mitaky ny hamerenana ny taniny

Nanao hetsika fitakiana ny hamerenana aminy ny taniny ireo mponina mahatsiaro ho tratran’ny tsindry hazolena etsy amin’ny kaominina Fe­noarivo, omaly. Tokantrano 200 mahery izy ireo no milaza ho tompon’ny tany sy efa nanajary izany. Tany mirefy 23ha mahery no nalaina tamin’izy ireo an-keriny, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fo­kontany ao Ambohijatovo […]