Nanao atrikasa fanavaozana ny fandaharam-piofanana ho an’ireo mpisehatra “CREC”, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Notanterahina teto Antananarivo, nanomboka ny 04 hatramin’ny 06 marsa 2026 lasa teo izany. Atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra manoloana ny fiatrehana valanaretina sy areti-mifindra lehibe misy eto amin’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana mazava ny fomba […]
Fiaraha-monina
480 ireo sembana ao Toamasina : Hifarana anio, eny Behoririka, ny tolo-tanana fanampiana
Hifarana anio, amin’ny 12 ora atoandro, ny fandraisana ny tolo-tanana (téléthon) hanangonana fanampiana ho an’ny olona manana fahasembanana traboina any Toamasina. Eny amin’ny foiben-toeran’ny Plateforme des fédérations des personnes handicapées de Madagascar (PFPH Mad) eny Behoririka no hanaterana izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny PFPH, Radafiniantsoa Josoa. […]
Fifindra-monina anatiny : Nahatratra 73 000 ny olona nitsoaka haintany
Natolotra omaly, teny Anosy, ny fanehoana ny vokatry ny asa fikarohana anatin’ny tetikasa Promic, tohanan’ny GIZ, mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny fifindra-monina anatiny eto Madagasikara. Nanatanteraka ny fikarohana ny Université des Nations- Unies (UNU-EHS). Haharitra roa andro ny atrikasa hizarana ny zava-misy momba izany sy ny vahaolana azo ampiharina […]
INDRAY MIJERY
Tombanana hahazo vahana kokoa ny oram-baratra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana, amin’izao faran’ny herinandro izao. Vinavinaina hahatratra 50 hatramin’ny 80 mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Nahazo fampitandremana miloko maitso ny morontsirak’i Ambatosoa, Analanjirofo ary Toamasina. Tranoheva miisa 100 no hanaovana fampirantiana ireo vokatry ny asa tanan’ireo vehivavy […]
Fahasalamana ara-pananahana: Vavolombelon’ireo tranga maro ny rasazy
« Herisetra ara-pananahana, vohoka tsy iriana, fanalan-jaza tsy tomombana tany ambadika tany, aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, fanaovana fandrindram-piterahana miafina…. Vavolombelona mivantana, miaina ireny tranga ireny izahay rasazy », hoy Razanaliliany Hajasoa, filohan’ny fikambanan’ny rasazy ao Matsiatra Ambony. Rehefa misy ny fahasarotana dia tonga eny ireo vehivavy mila vonjy. Mandray an-tanana […]




