Fiaraha-monina

Rivodoza Cheneso : loza manambana ho an’i Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana

Nitombo hery ka lasa rivodoza mitondra anarana hoe: “Cheneso” ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasina Indianina, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro tao anatin’ny filazana manokana momba ny rivodoza, omaly atoandro. Nikisaka nianandrefana izy tao anatin’ny enina ora farany ka nahafaka 35 km isan’ora. Tamin’ny 12 […]

Taxi Moto: hiavaka ny mpitatitra ara-dalàna

Hihaona eny Malaza Ampitatafika ny mpikatroka amin’ny sehatry ny taxi-moto izay mivondrona ao amin’ny Vovonan’ny Taxi-moto eto Madagasikara (VMTM), amin’ny asabotsy izao. Ha­neho fampiraisana sady fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao izy ireo amin’ izany. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny VMTM, fa amin’io koa no hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny maha ara-dalàna […]

Olan’ny rano sy ny fizarana trano: manome 10 andro ny mpitantana ny mpianatry ny oniversite

Mitohy ny fampianarana amin’ny taom-pianarana 2022-2023 ho an’ny fakiolte sasany eny Ankatso ka tsy voakasiky ny fitakian’ny Seces. Etsy andaniny, mitaraina koa ireo mpianatra noho ny olan’ny famatsiana rano sy ny fizarana efitrano. Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 mandranto fianarana eny amin’ny oniversiten’An­tananarivo, omaly, teny An­katso […]