Fiaraha-monina

Japoney sy Pam: manohana ny sakafo an-tsekoly

Nanomboka ny taona 1998 no efa niara-niasa ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena sy ny masoivoho japoney miasa eto amintsika manatsara ny kalitaon’ny fampianarana. Miompana betsaka amin’ ny fampivoarana ny fizarana sakafo an-dakilasy ny fanohanany. Nanampy tamin’ny fampivorana ny sakafo an-tsekoly koa ny fampiasana ny fomba fiasa japoney Seikatsu Kaizen teny anivon’ny Farimbon’ […]

Fanendrena tale : novana ny an’ny HJRA, HJRB, CHU Andohatapenaka

Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanendrena ireo tompon’andraikitra voalohany hitantana indray ireo hopitaly lehibe eto Antana­na­rivo. Anisan’izany ny HJRA, HJRB ary ny hopitaly manara-penitra etsy Andohata­penaka. Notendrena tamin’izany Ramarolahy Andriatiaray Rija Niaina, hitantana ny Centre Hospitalier Universitaire Jo­seph Ravoahangy Andriana­va­lona (HJRA) etsy Ampefi­loha. Mpitantana vaovao […]

«Mutuelle de santé»: hanaovana andrana ny Cisco telo

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hatao andrana amin’ny fametrahana ny «Mu­tuelle de santé» izay fisitrahana tohana ara-pahasalana ho an’ny mpampianatra ny ao amin’ny Cisco Analamanga sy Fianarantsoa ary Befan­dri­ana Avaratra. Hanomboka amin’ity vo­la­na janoary ity izany andrana izany ary hotombanana any amin’ny volana jona. Rehefa hita […]

Rivodoza Cheneso : ho levona rahampitso na alahady

Niditra an-tanety tao ava­ratr’Antalaha, omaly tamin’ ny 11 ora latsaka fahefany teo, ilay rivodoza Cheneso. Miki­saka mianatsimo andrefana ny diany ka nahafaka 15 km isan’ ora. 90 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 120 km isan’ora. Mbola mety hiteraka fahasimban’ny toeram-ponenana sy ireo fotodrafitrasa marefo hatrany izany tafiotra izany […]