Fiaraha-monina

Tapaka ny lalana : mitoka-monina i Morafenobe, midangana ny vidin’entana

Vokatry ny orambe nisesy tany amin’ny faritra Melaky, izay niteraka riaka matevina, tapaka tanteraka, ny zoma teo, ny lalana “radier” mampitohy an’i Morafenobe sy i Maintirano. Eo amin’ny 1 km tsy hidirana ny tanànan’i Mo­rafenobe ny fahatapahana ka lasa mitoka-monina ny tanàna. Tsy misy ny fivezivezen’ny fiara mpitatitra entana. Niakatra […]

Andro ratsy lasa rivodoza: hiditra an-tanety ao Antalaha rahampitso maraina

Vinavinainy ho tonga “tempête tropicale” ilay andro ratsy rehefa hiditra ny morontsiraka ao Antalaha, rahampitso vao maraina, hoy ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Manodidina ny 70 ka hatramin’ny 80km isan’ora ny herin’ny rivotra hoentiny amin’izay fotoana izay. Omaly, tany amin’ny 1495km ao atsina­nan’i Vohémar no nisy azy […]

Sambava : natsahatra ny fampianarana noho ny orambe

Mitondra rotsakorana be sahady ho an’ny distrikan’i Sambava ny tangoron-drahona any an-dranomasina. Nandray fepetra nampitsahatra ny fampianarana ny Cisco. Nijohy nanomboka ny alahady alina ary nitohy hatramin’ny omaly tontolo andro ny orana any amin’ny distrikan’i Sambava, araka ny fanazavan’ny pro­viseur ny Lycée ao an-toerana, omaly. Vokany, niakatra avokoa ny rano, […]

Polisy monisipaly sy mpamonjy voina : vita ny asabotsy teo ny adina an-tsoratra

Notanterahina, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely, ny adina an-tsoratra tapany faharoa amin’ny fifaninanana fahatelo fandratovana polisy monisipaly 200 sy sampana mpamonjy voina 100. Efa nisy ny tapany voalohany tamin’ny adina ara-panatanjahantena sy ny adina am-bava. Taranja efatra: fahalalana ankapobeny, Mathématique, Frantsay sy Malagasy no nanadinana […]