Fiaraha-monina

Zone de convergence intertropicale : tsy mbola ahina hivadika rivodoza, hoy ny Meteo

Tsy mbola nivadika ho rivodoza ilay tangoron-drahona roa fa arahi-maso hatrany ny fivoarany nefa ahina hitondra ambana ho an’ny tapany avaratra sy atsinanana rahafakampitso. Ho an’ny firafitra ankapoben’ny toetry ny an­dro, mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny “Zone de convergence intertropicale” (ZCIT) izay arahina rahom-baratra saika manerana ny tapany avaratry […]

Ambohitrimanjaka-Andranotapahina : mampidi-doza ny fanahazam-bary anaty arabe

Miakatra tsikelikely ny vary amin’iny lemaka atsimo andrefan’Antananarivo iny. Tsikaritra tamin’ity herinandro ity fa velarin’ny olo­na any anaty arabe ny vary hatapy masoandro. Feno vary ny sisin’arabe manomboka eny amin’ny sampanana Andranotapahina hatreny amin’ny tetezan’Ambohitri­manjaka. Mitomandavana ny fanahazam-bary ary mila ho rakotra ny antsasaky ny arabe andaniny sy an-kilany. Manginy […]

Minisitra Soafilira Princia : tsy mivaro-janaka ny any Ikongo

Nanao fanambarana, om­a­ly, ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, So­a­filira Princia fa fomba entin’ireo tsy mitovy fijery politika handotoana ny fanjakana ny tsaho aely mikasika an’Ikongo. Tsy mivaro-janaka ny Ma­­la­gasy fa fomban’ny mpi­a­nakavy kosa ny mitaiza sy manatafita ny zana-kavana re­hefa misy ny fahasahiranana. Mazava ny fanambara­nan’ny komity […]