Nijery ny fandehan’ny asa fanamboaran-dalana teny Ivato manakaiky ny seranam-piaramanidina, omaly, ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery sy ireo mpiara-miasa aminy. Nohazavainy tamin’izany ny fitsinjarana andraikitry ny faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Asa vaventy ary ny CUA amin’ny fanamboarana ireo lalana simba eto Antananarivo sy ny manodidina. Miainga eny Ivato ny asa […]
Fiaraha-monina
Varotra hani-masaka : mitohy ny fampiofanana ataon’ny CUA, INTH, Fhorm
Mifarimbona ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy Fhorm ary ny INTH amin’ny famolavolana ireo mpivarotra hani-masaka ho tonga matihanina amin’ny asa fivelomany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, amin’ny fampivoarana ireo mpivarotra madinika izao fiofanana izao. Hofanina mandritra ny herinandro, araka izany, ireo mpivarotra hahafehy ny […]
Rafi-pampianarana : “Sahirana ny sehatra tsy miankina”
Efa lany teny amin’ny parlemanta ny lalàna mifehy ny rafi-pampianarana vaovao eto Madagasikara saingy miandry ny didy fampiharana. Misedra olana mifandraika amin’izany anefa ny tsy miankina. Naparitaka eny anivon’ny sokajy na vondrona voakasika mivantana (firaisamonina sivily, Vovonan’ny sekoly tsy miankina… ireo sekoly tsy anaty fikambanana) ny lalàna ho fampahafantarana ary […]
Fanomezan-jo : mila lamina manokana ny «autiste»
«Mitovy amin’ny fomba fiainan’ny olom-pirenena rehetra ihany ny fiainan’ny olona hafakely (Autiste)», hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Autisme eto Madagasikara, Raveloarimisa Mbolatiana , ny Alahady teo, teny Tsimbazaza. Nilaza izy fa tsy vitan’ny minisitera iray na tompon’andraikitra iray ny fitaizana azy ireo fa ilaina ny fandraisan’andraikitry ny rehetra. Tsara […]
Fikambanana Tao : manentana hiady amin’ny fanolanana
Manao hetsika mitety vohitra amin’ny fandehanana an-tongotra sy ny fitaingenana bisikleta, manentana ny mponina hiady amin’ny herisetra ara-pananahana atao amin’ny ankizy ny fikambanana Tao. « Run and bike, Aoka izay ny fanolanana» ny anaran’ny hetsika fanatanjahantena mifandraika amin’izay. Mandritra ny fitsidihana koa no hanangonana vola avy amin’ny malala-tanana hanohizana ny asa […]





