Fiaraha-monina

MFFT sy ny masoivohon’i Frantsa: hatsaraina ny tolotra ho an’ny vahoaka eny ifotony

Miezaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL), manohana ny kaominina. Notontosaina nandritra ny telo andro, tany Antsirabe, ny fanofanana ho amin’ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ ny kaominina. Niompana tamin’ny fitantanana ny sora-piankohonana. […]

Aretina bilarziozy na takilodrano: hatsaraina ny ady atao eto Madagasikara

Nisy ny atrikasa natao tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, nandinihina ny hana­tsarana ny ady atao amin’ny aretina bilarziozy na takilo­drano. Hetsika niarahan’ny Institut Bernhard Nocht de médecine tropicale (BINMT) avy any Hambourg sy ireo oniversitem-panjakana eto an-toerana mpiara-miombon’antoka aminy. Anisan’ny firenena ahitana bilarziozy betsaka i Madagasikara. Ahitana izany avokoa ireo disitrika 107 […]

Firenena Japoney: hamatsy sakafo sy rano any Toamasina

Nifanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa, ny alakamisy teo, ny firenena japoney sy ny firenena malagasy. Nitarika izany ny masoivohon’i Japon monina eto Madagasikara, Abe Koji, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Mahakasika ny fandaharanasa fanampiana ara-tsakafo ho an’ny taona 2024 no anton’ny fiaraha-miasa voalohany. Hanampy amin’ny fampanjarian-tsakafo izany. Voakasiky ny fifanarahana […]

Vondron’orinasa Andriantsitohaina: nentanina amin’ny ady amin’ny homamiadana ny mpiasa

Anisan’ny andraikitra ara-tsosialy sy toekaren’ny vondrona Andriantsitohaina ny fahasalaman’ny mpiasa. Ho fanamarihana ny « Octobre Rose », nisy ny fanentanana momba ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza , omaly. Nampahafantarina ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina ny karazana fisorohana sy fahamailoana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, omaly. […]