Fiaraha-monina

Fanadinana amin’ny fampianarana teknika: ny 13 janoary – 21 marsa 2025 ny fisoratana anarana

Nampahafantatra ny tetian­dro momba ny fisoratana anarana amin’ireo fanadinam-panjakana samihafa ao aminy ny minisiteran’ny Fampiana­rana teknika sy fanofanana arakasa. Hanomboka ny 20 janoary ary hifarana ny 21 marsa, taona 2025, ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana ahazoana ny mari-pahazaina Brevet d’études professionnelles (BEP). Hotonto­saina ny 30 jona hatramin’ny 3 jolay […]

Tsy fanjarian-tsakafo : miantsehatra amin’ny ady ny SZM

Nanokatra ny fivoriana iraisam-pirenena ho an’ny tanora tetsy Ambohitrimanjaka, omaly, ny skotisma zazavavy eto Mada­gasikara (SZM). Nahitana ny Fanilo sy Mpanazava ary ny Kiadin’i Madagasikara izany. Lohahevitra novoizina ny mahakasika ny fanomezana tontolo maitso kokoa ny tanora amin’ny hoavy. Ireo efa nandray anjara tamin’ny fandaharam-panabeazana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny […]

Management Services for Health : nisongadina ny fivoarana teo amin’ny sehatry ny fahasalamana

Nanao tatitra ny MSH ny amin’ny asa vita tamin’ireo fandaharanasa notanterahina teto Madagasikara. Niantsehatra teny amin’ireo tobim-pahasalamana mihitsy ny filoha tale jeneraly, i Marian Wentworth. Naneho ny fahafaham-pony tamin’ny ezaka vitan’ireo fandaharanasa ara-pahasalamana niseharany ny filoha tale jeneralin’ny Management Services for Health (MSH), i Marian Went­worth, omaly, tetsy Ankoron­drano. Nahafahana […]

“Fijery hafa” : hitohy eny Anosibe ny fanofanana

Taorian’ny hetsika “Fijery hafa”, natao tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny volana septambra lasa teo, mitohy hatrany ny ezaka mahakasika ny fanofanana faobe ataon’ ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay tarihin’ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline. Fomba fiasa vaovao napetraky ny minisitra ny fijery hafa. Tanjona ny hanatonana manokana […]

INDRAY MIJERY

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tao amin’ny toeram-piasany ny filoha mpanorina ny ONG Malagasy mobilisés pour l’action (Mamoa), Ratsimbazafy Yasser Gerardain, tamin’ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny famahana ny olan’ny rano eny anivon’ny «Cités universitaires» Ankatso ny fihaonana. Hitondra vahaolana ny ONG Mamoa ka hisy fidinana […]