Fiaraha-monina

Karama farany ambany : mbola maro ny mpiasa tsy misitraka

Nandritra ny fidinana teny anivon’ny orinasa maromaro nataon’ireo mpanara-maso ny asa, ao amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana no nahafantarana fa maro ireo lehiben’orinasa tsy mampihatra akory ilay karama farany ambany tokony hositrahin’ny mpiasa. Tsy sahy manao fitakiana na miandry ny rariny ireo mpiasa ka manaiky ny karama vary masaka […]

Fambara fahaketrahana : mila omen-danja ny fahasalaman’ ny saina any am-piasana

Fotoana hanomezan-danja ny fahasalaman’ny saina eny anivon’ny toeram-piasana ny lohahevitra hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana amin’ity taona ity, manomboka rahampitso ary haharitra hateloana, eto Antananarivo. Misy fambara fanairana tsy voatery miseho ety ivelany tokony hanaitra ny fianakaviana na ny manodidina fa mety tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina ny olona iray […]

INDRAY MIJERY

Ankalazaina ny 10 oktobra ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Ho fanamarihana izany, mikarakara “Rendez-vous du remapsen santé mentale” ny fikambanana Remapsen Mada eny amin’ny OJM Ambohidahy, manomboka amin’ny 10 ora maraina, anio. Lohahevitra hifampizarana ny “Fahasalaman’ny saina miabo” hiarahana amin’ny Dr Razafimahefa Julien, filohan’ny Autisme Fédération Madagascar, sy […]

Fananahana ara-pahasalamana : nisongadina ny sary nataon’i Steven sy i Tiavina

Tanora 21 mianadahy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana adisisika fanentanana momba ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly, izay notontosaina ny 12 aogositra hatramin’ny 15 septambra lasa teo. Nikarakara ny hetsika ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fahasalamana sy zo hisitraka fananahana ara-pahasalamana, ho fanamarihina ny Andro natokana ho […]

Tetikasa Tsimbina : tokantrano 1 123 nisitraka vola

Miditra amin’ny andiany faharoa ny fisitrahana ny vola ho an’ireo ankohonana marefo, anatin’ny tetikasa Tsimbina. Natao, omaly, tetsy Mahamasina, ny fizarana izany, izay natrehin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Ireo nahafeno fepetra, nahavita nampiditra ny zanany an-tsekoly no nomena ny ampahany faharoa. Nanaraka ny toromarika fiofanana niaraka […]