Indraimbava

Tsy mijery lavitra !

  Tena mahakivy sy mahavarina ny mandinika ny fomba fisainan’ny Malagasy sasany, indrindra fa ireo izay nomem-pahefana indramina. Tsy tahotra tsy henatra fa mamotika sy manimba olona ankitsirano, mba hanomezana fahafahampo ny filan-dratsiny. Mihevitra tsy tratry ny aloka sy tsy manam-pahataperana izay zavatra hataony. Trangam-piarahamonina maromaro no ahitana taratra izany […]

Mitandrina hatrany !

  Tsy mena mivadika ilay toetr’andro. Raha nigaingaina sy nahazo vahana ny hafanana, tampoka teo: nirotsaka ny orana manerana ny Renivohitr’i Madagasikara. Azo tsapain-tanana ny fiovaovana izay mitondra voka-dratsiny goavana ara-tsosialy sy toekarena. Niria-maha ory tokoa ilay izy. Raha vao manomboka miarina sy manorona indray ny fiainany ny tra-boina, efa […]

Mila malina

  Tsy ny ranobe na ny haintany ihany no voka-dratsy ateraky ny toetr’andro mivadibadika. Mahakasika mivan­tana ny andavanandron’ny tsirairay izany. Lasibatra voalohany ny lafiny fahasalamana. Voatohintohina mivantana ny sakafo sy ny fanjifana araka ny tokony ho izy na tsia. Mila mijery akaiky izany ny mpivarotra hani-masaka izay mahazo vahana etsy […]

Olana ara-tsaina faobe

  Vita izay ny kifetifety sy ny fanehoana amin’ny endrika ivelany ny fitakiana ny zon’ny vehivavy. Fotoana izao ho an’ny asa misy fiantraikany mivantana. Indrindra manoloana ny firongatry ny herisetra etsy sy eroa. Tsy afaka ny mitazam-potsiny ny olom-pirenena tsirairay fa mila sahy mijoro sy maneho fa manan-kery hanoherana ny […]

Ady tsy vita

  Mirongatra ny fanendahana, fanakanan-dalana, tsatok’antsy… Tsy fandriampahalemana. Fahantrana no antony? Na tsy fisian’asa, disadisam-piarahamonina malia sy mora tohina… Eo koa ny fahaverezan’ny soatoavina? Misy tsy manana inona hajaina na atahorana intsony. Tsy misy, ohatra, izay tahotra an’Andriamanitra, tahotra tsiny sy tody, ny tsy fiheverana sy fitsinjovana ny hafa… Efa […]