Indraimbava

Safidy tsy voavidy

  Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Amin’izany, efa misy mihetsika ireo kandidà na manolo-tena na te hatolotry ny vondrona na antoko politika misy azy: midina ifotony, manambitamby vahoaka, mamalifaly… Misy mahavatra mandoka tena amin’ny asa vita. Mby amin’ny hoe fomba fiady ihany izany, na misy tsy mendrika […]

Mihodinkodina am-pitoerana

  Anatin’ny vanim-potoana hanomanana sy hiomanana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ny Malagasy ankehitriny. Andaniny, amperinasa tanteraka ny mpikarakara toy ny birao mahaleo-tena momba ny fifidianana na ny Ceni. Efa mamaramparana ny mpamita lisi-pifidianana. Samy midehadeha kely eny amin’ny tambajotran-tserana toy ny facebook ny isam-paritra fa nahatomombana ny iraka nankinina taminy. […]

Vola fô mikoragna !

  Mahoraka ny famonoana olona ankitsirano, tsy mandalo fitsarana ataon’ny mpitandro filaminana. Samy hisehoan’izany na ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe. Tsy mifidy lasibatra io fa na olon-tsotra na samy mpitandro filaminana aza. Izay maty dia maty tsy misy tohiny. Toa zary voadingana ny resaka zon’olombelona hahazo fitsarana ara-drariny. Betsaka ny fanazavana […]

Lasa tandra vadin-koditra

  Milamina sy mangingina hafahafa izany ilay andavanandron-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Toa tsy misy ny olana fa mizotra tsimoramora eny ilay fiainana. Efa mionona amin’izay miseho na tsy manjary aza ny ankabeazan’ny olona! Zary fahazarana ny miaina anaty zava-dratsy. Izay tsy manaraka ny onjany no toa hafahafa sy voailika. […]

Mahantra

  Mahatonga hiantra ny hoe mahantra. Ahoana ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo amin’ny tsirairay, isan-tokantrano, isam-paritra, isam-pirenena. Tsy afa-bela amin’ny trosa sy fanampiana, ohatra, ny tany mahantra? Na tsy vita ny manapa-kevitra fa mila fahasahiana, fijoroana, fahavononana, fiaretana. Nahoana, ohatra, no hoe manana harena voajanahary tsy hita pesimpesenina na […]