Indraimbava

Ambarao ny marina

  Sadaikatra ny vava hiresaka, mihisatra ny tanàna hanoratra ny vaovao mahakasika ny zava-misy marina eto Madagasikara. Zava-doza mihitsy ilay andavanandrom-piainana sy ny fahoriana entiny. Ny olona tsy hita sy maty, miampatrampatra manerana ny Nosy. Raha tsara ambina ny eto an-dRenivohitra, manomboka mipoipoitra izany any amin’ny faritra sy ny renivohi-paritany […]

Mampiaka-peo ny henjana

  Nampiaka-peo ny filohan’ny Fanavaozana ny Repo­blika mahakasika ny resaka famatsiana jiro any Toama­sina. Efa afapo tamin’ny kiandrasoandraso izao ny fanjakana. Tsy mahavita ny iraka ankinina aminy ny orinasa tsy miankina nametrahana fitokisana. Mirona any amin’ny vahoaka kokoa ny fanjakana, raha ny kisary tiana havoaka. Miandry vokatra azo tsapain-tanana, araka […]

Kilalaon-dravola

Raha misy olona mora tohina sy handairan’ny fandranitana ary ny fifampihantsiana angamba dia ny Malagasy. Tranga maromaro tao amin’ny tambajotran-tserasera no ahitana taratra izany ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy ny mivoy resa-poko, misy ny mifamotika amin’ny resaka filahiana sy ny sarim-bavy. Ny mpivavaka koa mifanala baraka, mifampidaroka amin’ny totohondry […]

Resy indray ry Gen Z

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny maha ara-dalàna ny tetibolam-panjakana 2026. Midika izany fa laniny ny fampitomboana goavambe ny vola hoenti-miaro ny filohan’ny Fanavaozana, izay 6,8 miliara Ariary. Toy izany ny an-dry zareo ao amin’ny Antenimierampirenena, izay 89,8 miliara Ariary. Efa tsy azo iadian-kevitra intsony ireo. Mifanandrify amin’izay anefa, […]

Miandry daholo

  Mandroso miandalana aloha ny resaka, hatreto, mahakasika ny fifidianana sy ny fikaonandoham-pirenena. Efa mazava ny zotra ho an’ny mpitondra sy ny vazaha eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena. Vonona amin’ny ara-bola ireto farany, raha ilaina. Ny fanjakana malagasy rahateo efa milaza fa tsy handingana ny taona 2027 ny fitantanany. Milaza ny […]