Mahasaro-piaro mandrakariva ny raharahan-tokantranon’ny tena. Vao mainka ny fiandrianampirenena… Ny ady an-trano na ady an-toerana no mahatonga ny hafa ivelany hiditra tsy fidiny amin’ ny raharahan’ny tena? Manelingelina na manohintohina azy tsinona, Sao alain’ ny hafa tahaka any amin’izay misy azy ny korontan-dava, ny tsy fahaiza-mifandamina an-toerana… Ny soa, fianatra; […]
Indraimbava
Fiaingana faobe
Raikitra ny fifaninanana masina politika. Tsy ivelan’ny Fanavaozana intsony no mihazakazaka fa ny ao anatiny mihitsy. Efa mazava rahateo ny zotra fa mankany amin’ ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Iaraha-mahita ny fihetsiketsehana eto an-dRenivohitra sy ny isam- paritra. Fampisehoan-kery amin’ny endriny samihafa izao: famoriam-bahoaka, fampisehoana, atrikasa misarika tanora. Ny filalaovana […]
Tsy ho kibay an-kelika !
Mazava kosa ny finiavana, hatreto! Efa miaka-dapa sy miara-midinika amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny hery velona rehetra na ireo nosokajiana ho “forongony” iringiriny aza. Tsy hidirana lalina izay voambara any anatin’ny fifandaharana sy ny fifanakalozan-kevitra. Ny zava-dehibe aloha, mivoaka miabo ny sary ho an’ny mpitarika ny Fanavaozana. Efa betsaka rahateo ny […]
Efa mandeha ny kajikajy
Samy manana ny kajiny sy ny laminy avokoa ny mpanao politika amin’izao fotoana izao. Ny azo ambara, efa mirona mankany amin’ilay fifidianana andrasan’ny maro ny henjana isan-tsokajiny. Ny goaikantitra efa lohalisitra, mihatihaty sy mirantiranty, eny amin’ny lohan’ny sehatra. Ny antoko na vovonana vaovao tarihin’ny tanora, tsy manaiky ho takona afenina […]
Vahiny eto an-tanàna
« Baomba niampy baomba!?”, nilatsaka ny didy fa 10 taona an-tranomaizina, asa an-terivozona ny sazin’ny Jly Baomba na Ravalomanana Richard. Tsy hidirana lalina ny mahakasika ny raharaha ( jereo Pejy 2) fa aleo ny fomba fanaovana politika sy ny fomba amam-panaon’ny mpitondra no asian-teny, anio. Boribory vetaveta tsy mety tapitra […]





