Raha misy angamba andrimpanjakana manao izay danin’ny kibony dia ny antenimierampirenena. Raha misy mpitondra na manampahefana maro tsy mahafehy ny asany dia ny solombavambahoaka. Raha misy ny ataon’ny mpanao politika fitaovana dia ny olom-boafidy. Saingy, tandremo kely fa ireo no tompon’ny lakile eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Izay rahonany […]
Indraimbava
Mpisandoka fitiavana
Mipoitra ny angaredona etsy sy eroa, manohana ny fitondrana sy ny fiandrianam-pirenena. Miaka-pofona ny antoko politika. Manangatra ny fikambanana isan-karazany. Mampiaka-peo ireo mihevitra ho tompon’ny tolona sy nametraka ny Fanavaozana. Milaza ho tsy mila fijabajabahan’ny firenena avy any ivelany sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Mazava ny zotra, tompon’ny lakile tsy […]
Tsy mahandry tantana
Fisolelahana sa tsy fandrasana tantana? Nanaitra ny nahita ireto vondrona politika efa natory, nifoha tampoka nihiakiaka ny ho filatsahan’i Kolonely hofidina filoham-pirenena. Natao nanakoako izaitsizy ny fanambarana. Nanoatra noho ny amin’ny vanim-potoana milamina sy mahazatra. Tahaka ireny efa manana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana raikitra ireny ilay Madagasikara. Mamofompofona tsy Fanavaozana. Tamin’ny […]
Tsy mahaleo tena marina
Raha vao afakomaly no nanindraindra ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara dia ny androtr’izay ihany dia iny fa nipoitra avy tao ny SADC sy ny fanambarana miezinezina. Nisafoaka avokoa izay mpanohana ny fitondrana. Namaly bontana izay afaka namaly. Hatramin’ny kolonely aza, namaky bantsilana ny fanoherana […]
Fampielezan-kevitra!
Mandeha tsara, na ato anatiny na any ivelany, ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra. Ny diplaomasia aloha tena miroborobo sy mamirapiratra aoka izany. Ny ato anatiny indray, mainka misongadingadina eny ny bokotra sy ny ekipany. Inona moa fa mibaribary ny fitohizan’ny raharaham-panjakana. Mandeha ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka. Mitohy ny fitokatokanana ny […]




