Indraimbava

Ny ady tsy ahi-mahatratra

  Mangingina ny tontolo politika taorian’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy? Afa-pety… Na izany aza, tsy mandrimandry manana aretina. Andrasana fatratra ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Hanao ahoana? Tsy mety ny hoe ho hita eo.. Na hoe eo am-pandrasana mahita ny atiny. Tsy efa tokony hisy […]

Mbola be ny adidy !

Tena nahafinaritra ny fety ! Toy ny isan-taona, nahoraka ny fampisehoana sy ny afomanga nanerana ny distrika. Raha atao bango tokana, nahafapo ny mpankafy ny hetsika rehetra. Nakotrokotraka ny fety. Samy nanao izay ho afany ny manampahefana isan-tsokajiny. Vanim-potoana nentina namaly babena ny olona nifidy sy nandatsa-bato izany ho an’ny […]

Tsy ho asara… mantsina?

Hanakoako manerana ny Nosy ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena politikan’i Madagasikara. Lanonana maroloko sy hetsika samihafa no hanakoako manerana ny tanàna. Hadinodino rafahantrana. Samy mampirevy ny ao an-tokantrano. Manao izay mampifalifaly ny vady aman-janaka na ny ray aman-dreny sy ny havana. Zara aza misy hialana voly sy hialana […]

Ny teo ihany no miverina

Asa aloha raha fifandrifian-javatra na izay mihitsy ny kajikajy maloto any ambadika rehetra any? Tampoka teo, nitokona tsy nisy mpitarika ry zalahy mpamily sy resevera. Nilaza manko ny kaoperativa fa tsy avy amin’izy ireo izany. Niridana tsy nisy zotra mazava, nilanja sorabaventy, nanapaka lalana manerana ny tanàna. Zara raha nisy […]

Masina…masina

Nandeha aloha izay ny fotoam-pivavahana. Samy niaiky ny rehetra fa ao amin’Andriamanitra aloha ny zava-drehetra. Vita izay, hiditra an-tsehatra ny maha olombelona. Efa namoaka tetiandro ny raiamandreny am-panahy. Herintaona be izao vao ho vita izany ka mifanandrify amin’ny fahataperan’ny tokony ho fotoam-pitondran’ny filoha lanim-bahoaka, Rajoelina Andry. Efa tapatapaky ny taona […]