Iaraha-miaina fa mandalo krizy vaovao indray i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy handany lera amin’ny resaka politika fa handeha ny vahaolana mahakasika ny sedram-piarahamonina misy no hanontonana ny angovo. Aleo ahompana amin’ny resaka serasera sy ny fitantanana ny famahana ny raharaha maloto no resaka. Iaraha-mahita fa zary lalaovina sy hampifendrofendroana […]
Indraimbava
Marary mafy !
Tsy hita intsony ny teny hoenti-milaza ny zava-miseho eto Madagasikara. Tongan’ny mpampihorohoro tsotra izao eto amin’ny firenena. Tsy vitan’ny mandatsaka ainy, fa tena mamorina ny saina sy ny fanahy. Tsy ny fianakavian’ny lasibatra, na ireo nieren-doza avotra soa aman-tsara no mahita faisana, fa ny sarababem-bahoaka iray manontolo. Tsy ampy […]
Very fanahy mbola velona
Mihorohoro ny vahoaka! Mitaintaina andro aman’alina ny zanaka sy ray aman-dreny. Hatramin’ny vady aza moa. Tsy ny zaza ihany no lasibatry ny mpangalatr’olona, mahita faisana koa ny olon-dehibe. Miandahy miambavy ny olona very, tsy mifidy taona. Indrisy, izay manjavona, tsy mody ao an-trano fa ampodian-dry zalahy any amin’ny Ray. […]
Aoka tsy hanao kinangananga!
Tena misy trangam-piarahamonina maro mahatonga saina eto amin’ny firenena, ankehitriny. Manginy fotsiny ny fanaovana politika hafahafa. Vazaha mody miady no betsaka, fa ilay vahoaka no miesona sy mitsetsetra. Tsy hijerena vanim-potoana na sokajin-kery ny resaka fa ilay tontolo amin’ny ankapobeny eto amin’ny firenena mihitsy. Mitambatra ao ny vola, ny […]
Gadra politika
Mahabe adihevitra amin’izao ny hoe fisian’ny gadra politika na tsia. Vokatry ny fehinkevitry ny fivoriana manokana nampitain-davitra momba an’i Madagasikara nataon’ny vondrona Sadc tamin’ny faran’ny volana teo. Takin-dry zareo ny famoahana ireo hoe gadra politika. Inona ny marina? Arakaraka ny toerana hatrany ny fijerena sy fahitana zavatra iray, indrindra […]




