Rahampitso no fotoana! Andao hanao rodobe hifidy. Miandry ny vahoaka malagasy ny hoavin’ny firenena. Ny avy any amin’ny toerana tsy afaka mifidy aza mihazakazaka mamonjy toerana ahazoany mandatsa-bato. Nilaharana ny fakana didim-pitsarana ahafahana misitrika ny zo. Mainka rey olona efa anaty lisitra indray ve vao tsy hifidy? Ben’ny Tanàna […]
Indraimbava
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny fanohanany ny kandidà Tahina Razafinjoelina ny antoko MMM, ARB, FMI malagasy ary ny MFM, omaly. « Misy fiainana politika tokony hiova amin’izao fotoana izao. Tahina Razafinjoelina no mahavita izany sady mampandroso an’Antananarivo. Ny tsy fananana vina sy asa matotra ho fanarenana an’Antananarivo no mahatonga ny tanàna amin’izao toerana misy […]
Korontana… tombontsoa
Faradoboka amin’ny fampielezan-kevitra anio, andro fanginana rahampitso, fandatsaham-bato rahafakampitso… Ho haingana be ny fiakaran’ny voka-pifidianana, fa ny kaominina no fari-pifidianana. Iza no ho voafidy? Mandra-pitrangan’izay hitranga, mila tanana hatramin’ny farany ny filaminana sy fitoniana efa iainana amin’izao; eny, na misy aza ny tahotra sy ahiahy ny amin’izay fifidianana izay. […]
Raha mba mora tenenina
Efa avy ny orana! Manomboka mamono ny tany sy ny vato mihotsaka. Tokony samy haka ny fepetra mifanandrify aminy ny tsirairay. Nivoaka io ny toromarika avy amin’ny mpisoroka ny loza. Mila miala ny mponina eny Amboninampamarinana. Efa taona maromaro anie ry zareo no voalaza fa tsy azo ipetrahana intsony eny […]
Ambato bevohoka
Tena natao ihany ny tsy hiteny ny mahakasika ity fidorohana zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra ity. Miverina mahazo vahana izany, ankehitriny. Ny tena mampalahelo, toa mipetraka hatrany ilay kolontsaina tsimatimanota. Iza no tsy mahalala ny sakeli-tanàna ivoahan’ny “môly” sy ny “rôrô”? Iza amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana na mpanao politika eto amin’ny […]