Andrasana fatratra amin’izao ny fakan-kevitra amin’ny fikaonandom-pirenena. Misy ny efa tsindrin-daona fatratra, ao ny vonona dia vonona… Teo rahateo ireo nahavita fikaonandoha ho azy manokana, na isan-tsehatra na sokajy. Hanao ahoana? Tsy ilaozan’izay ahiahy tsy ihavanana: rahoviana marina no hanomboka, ahoana ny fandaminana, ny fomba fiasa… ? Tsy moramora na […]
Indraimbava
Fandriana fahalemana
Tsy misy tanàna tsy itrangana tsy fandriampahalemana na asan-jiolahy; eny, na amin’ izay firenena faran’izay mandroso aza. Na izany aza, mila mahazo antoka ny olom-pirenena fa misy ny fiarovana azy sy ny fananany. Eo ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy azo lavina koa, tsy misy […]
Ady fiady
Ny lainga iray rehefa averina in’arivo, hono, mivadika ho marina amin’ny farany? Ny marina iray rehefa viraviraina lava, lasa mamitaka. Izay ny politika? Indrindra rehefa tsy misy foto-kevitra na ideolojia mazava, afa-tsy ny fahazoana fahefam-panjakana. Izay no antom-pisiana sy ijoroana… Tsy mahagaga ny fisian’ny fivadibadihana lava: ny sakay sy […]
Fiainam-bahoaka
Famatsian-jiro sy rano, fidangan’ny vidim-piainana, fandriampahalemana…. Ireo no anisan’ny notakiana teny an-dalambe nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Mby aiza? Eo koa ny famoronana asa, ny amin’ny fitsinjaram-pahefana, ny fanamboaran-dalana… Amin’ izany rehetra izany, manginy fotsiny ny fitakiana saika isan-tsehatra tetsy sy teroa: fampianarana, fahasalamana, fambolena… Marolafy, maika avokoa, zava-dehibe… Ekena, […]
Miandry an’i Paoly
Nankaiza nankaiza ilay fikaonandoham-pirenena? Fanontaniana apetraky ny olona maro amin’izao fotoana. Tsy nandrenesam-peo intsony hatramin’ny FFKM, izay noheverina ho raiamandreny eto amin’ny firenena. « Toa jamban’ny vola tokoa angaha? », araka ny fanakianana re etsy sy eroa. Manomboka mampiaka-pofona ny sarambabem-bahoaka fa lasa tratran’ny fandrebirebena faobe indray. Tena ireo noheverina fa […]




