Indraimbava

Raha mba madio filalao

  Misy zavatra miseho tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy eto amin’ity Madagasikara ity. Tena mahavariana fa ny natao hanirina no mainka mampivandravandra. Ny natao hiaro ny vahoaka sy ny marefo no mivadika manao tsindry hazolena. Tsy tahotra sy henatra fa na mpiasam-bahoaka aza no anarany, mivadika ho mpandray baikon’ny fianakavian’ny […]

Fampielezan-kevitra

  Fampielezan-kevitra hanomboka rahampitso. Tena izay tokoa ve no hatao, haely, handresen-dahatra… ? Tanàna tsy ilaozan’adala. Na tsy tan-dalàna, tsy manaja tena sy tsy manaja ny hafa… Mandeha amin’izany ny fampielezam-bola fa tsy hevitra, fanaratsiana ny hafa, fanakiviana… Misy mihevitra fa ny fanaratsiana ny hafa no mahatsara ny tena. Tsy […]

Vahaolana ifotony

  Mbola maizimaizina be ihany ny tabilao ny amin’ny famahana tanteraka ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano? Eny, na tsy takona afenina aza ny ezaky ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra amin’ny famahana olana. Vahaolana no ilaina fa tsy ny fampitsaharana na fampanginana ny fitarainan’ny vahoaka ny amin’izany. Zaza tsy mitomany tsy mahazo […]

Lelon-jaza

  Tranga nanaitra ny mpanara-baovao, omaly, ny fanendrena olona tamin’ny filankevitry ny minisitra. Nisy ny olona nesorina ary efa naranty ny mpandimby azy. Tampoka, noho ny maraina, nofafana tao anatin’ny tatitra indray. Mijanona amin’ny toerana ilay efa nodakana am-bavafo. Ankoatra izay, misy ny tale napetraka vao ny 14 septambra dia […]

Miandry vokatra

  Mihazakazakabe ny fanaovan-tsonia fifanarahana amin’ny firenena na fikambanana, na orinasa vahiny. Mahavelombolo ny fisokafana amin’ny zotra hafa, miala amin’ny famatsiam-bola mahazatra. Efa tsy hita ho kaontina intsony ny teti-bidin’ny trosa miparitaka any rehetra any. Zara aza mahita mangirana amin’ny fahatongavan’ny vola vahiny. Ny indrokely, tsy tena mazava ny takalon’ilay […]