Na biby aza angamba tsy manao fomba fisainana tahaka ny ataon’ny olona sasany eto Madagasikara, ankehitriny. Zary tsy misy hasiny sy tsy misy vidiny intsony ny aina maha olombelona. Toa very fanahy ny ankamaroan’ny olona. Mampatahotra ny mandeha eny an-dalambe rehetra eny. Olona toa lasalasam-borona sy mijonjorombona tsy mahita na […]
Indraimbava
Fahazavana… fandriampahalemana
Tato ho ato, voizina sy atao ny fanomezana fahazavana hatrany amin’ny elakela-trano na lalankely hoe anisan’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Marina izany. Saingy amin’ny ampahany ihany… Mahavanon-doza hatrany ny olon-dratsy rehefa entin’ny lohany; eny, na amin’ny atoandrobenanahary izao aza. Mety ho tsy fisian’ny olona na ny fahanginan’ny toerana, ohatra, no […]
Samy be kajikajy !
Mitohy…miasa mangina ny raiamandreny am-panahy, mivondrona ao anatin’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). Miroso tsikelikely ny fanomanana ilay fihaonambem-pirenena, hotanterahina ny volana jolay na aogositra ho avy izao. Tanjona ny tsy hisian’ny korontana sy ny mety ho fifampihantsiana amin’ny mpifanandrina politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Madagasikara milamina, […]
Tora-bato avy any an-danitra
Tratry ny tampoka, tsy nahalehilahy ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly atoandro. Lanitra mazava, masoandro miposaka nosembantsembanan-drahona madinika nanamarika ny volon’andro ririnina. Tsy rony tsy ventiny, nirotsaka tampoka ny orana natevintevina, namorona fitohanan’ny fiarakodia teto ampovoan-tanàna. Nivadika ho kotro-baratra tsy ankijanona mandrak’alina. Nampiitatra ny fahatapahan-jiro lavareny na ny […]
Matoky tena, mizara fahefana !
Sambany tao anatin’ny dimy taona nitondran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry no nisafidy ny nampita andraikitra tamin’ny mpiara-miasa aminy izy. Iraka no nandray ilay amboara goavambe azony tany Afrika, mahakasika ny fananganana fotodrafitrasa na ny “Super Prix Grand bâtisseur-Trophée Babacar Ndiaye 2023”. Sady zava-dehibe ho an’ny tenany manokana no reharehan’i Madagasikara, saingy […]