Indraimbava

Asa haingana sy mivaingana

  Mangingina ny tontolo politika amin’izao? Any ambadika, mandeha hatrany ny karazana kajikajy sy paipaika. Tsy inona fa ny amin’ny fandrafetana izay ho governemanta vaovao eo. Hanao ahoana? Misy tonga amin’ny kitsapatsapa, fifandresen-dahatra, fandefasana resaka na tsilian-tsofina… Na ny mpiray donak’afo aza, mety misy mifanosika an-toerana? Samy te ho… Aoka […]

Lanja miakatra

  Anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny fampiroboroboana ny maha olona. Na ny sosialim-bahoaka… Mby aiza? Marolafy ny fahasahiranam-bahoka, toy ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Tsy inona fa fahantrana lalina sy maharitra ary saika mahahenika ny sarambabe. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo […]

Ho ampitain-davitra

  Samy miandry izay olona ho voatendry handrafitra ny governemanta vaovao ny vahoaka malagasy tsivakivolo.  Izay sisa dia feno ny ekipa hikatroka ny ampaham-potoana faharoa, niakaran’ny filohan’ny Repoblika ny kianja, nitondrany an’ity Madagasikara malalantsika ity. Efa naneno ny kiririoka fanairana fa mbola andrasana ny fanombohan’ny lalao. Mbola hamita iraka any […]

Ny olombelona aloha !

  Milamindamin-dratsy ny tanàna. Mangingina ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tsy handrenesam-peo firy ny harom-paosy sy ny fanendahana izay nampitondra faisana tanatin’ny fotoana naharitra. Somary mihena ny vaovao mahakasika ny halatra any ambanivohitra. Nihena ihany koa ny ranty momba ny fanolanana izay saika isan’andro teny amin’ny tambajotran-tserasera. Miasa amin’ny […]

Tsy maintsy vola ve ?

  Mahoraka ny honohono sy resabe mahakasika ny kolikoly, manodidina ny fametrahana ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Amina miliara, hono? An-jatony tapitrisa, hono? Asa re izay fahamarinany fa fandikan-dalàna iray sarotra hamarinina sy hitadiavana porofo rahateo izany. Endrika fandikan-dalàna saro-pady sy mety hihatra aman’aina ka mahatonga ny loharanom-baovao hihidy vava […]