Efa nasian-teny teto… Tsy mampaninona ny mamerin-teny, tsy mandreraka, tsy mankaleo. Mamerina indroa, manana ny antitra. Tsy inona fa ny amin’ny hoe ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo ny fampandrosoana. Raha tsy izany, mandringa ihany. Mby amin’ny hoe mankany, mankany… Mankaiza? Mankaiza tokoa izao ny hoe fampandrosoana miainga […]
Indraimbava
Tomponandraikitra… tompon’antoka voalohany
Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanaovana kolikoly, ady tany, fisolokiana, fanambakana… Inona koa? Miseholany etsy sy eroa ny karazana fahalovana eny anivon’ny tokantrano, fiarahamonina, faritra… Tsia, tsy hoe ny lafiratsin-javatra ihany no ndeha hovisavisaina sy hotanisaisaina, hojerena sy hasongadina. Eo indrindra koa ny lafintsaran-javatra, be lavitra no ho […]
Misy ny tsirim-panantenana
Maresaka indray ny tanàna eto an-drenivohitra. Mampiantrano vahiny manan-kaja maro i Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Mahoraka ny hetsika goavana momba ny haikajy mirindra. Firenena afrikanina maro no nahatonga solontena. Tsy ambakan’izany ny lalaon’ny Nosy. Efa eto Madagasikara, manao fanadihadiana farany ny vaomiera miandraikitra izany aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Iaraha-mahita fa […]
Mila fanasitranana !
Tsy fomba ny miresaka finoana na antokom-pinoana. Saropady, tsy fiady hevitra ny tena marina. Anisan’ny zo fototra, voarakitra anatin’ny fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny zon’olombelona rahateo ny fahafahana manaraka izay finoana tiany ho arahana. Midika izany fa zava-dehibe, masina ny resa-pivavahana sy finoana. Firenena mandala fatratra sy saropiaro amin’ny maha […]
Fifidianana ihany ?
Manjavozavo sy mbola tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Ny resa-pifidianana sy ny Tetezamita no malaza saingy tsy hita soritra izay fanapahan-kevitra marina. Ny zava-misy sy hita taratra, mipoipoitra daholo indray aloha ny mpanao politika zokinjokiny na ny « Dinaozoro ». Miseho masoandro ny antoko politika, efa natory. […]