Indraimbava

Loza aman’atambo

Tao anatin’ny herinandro vitsy, mivadika ambony ambany ny fiainan-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Mihalalina ny fahantrana, sanatria matimaty ho azy izany ny mpiray tanindra­zana. Mahonena sy mahalatsa-dranomaso ny mahita loham-piana­kaviana mamoy fo. Mirona any amin’ny famonoana ny ankoho­nany, avy eo mamono tena. Betsaka ny olona tsy mahazaka ny « donam-piainana […]

Mila matoky tena

Izay fantatra, hono, no tiana, raha tsara sy mety amin’ny tena. Izay tiana no hajaina, izay hajaina no omen-kasina, izay omen-kasina no mahasaro-piaro, izay mahasaro-piaro no tandrovina toy ny anakandriamaso… Mby aiza? Manomboka eo amin’ny tsirairay aloha. Tena mahalala tena ve? Kibo mitsara tena ny tsirairay: iza izy, hanao inona, […]

Herisetra… politika

Milaza miara-mahita sy miara-miaina? Mihamafy sy mihasarotra hatrany ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa; ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, indrindra ny vidim-bary; ny tsy fisian’ny asa azo antoka sy mahavelona ho an’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora… Manginy fotsiny ny ady tany mampisaritaka an-toerana, ny […]

Mba tsy hampidinina an-dalambe ny adihevitra

Hanao ahoana ny ho tohin’ny fakan-kevitra hanatsarana ny zotram-pifidianana? Samy miaiky ny maha zava-dehibe izany ireo mpiantsehatra, samy manaiky ny tokony hanohizana azy. Ho hita eo… Na ahoana na ahoana, politika io: tsy ilaozan’izay paipaika sy kajikajy. Arakaraka ny fifandanjan-kery, ny fivoaran’ny toe-draharaha, ny tanjona kendrena. Tena izay hisian’ny filaminana […]

Firaisankina ho an’ny tanindrazana

Vita iny ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947. Tsaroana isan-taona, dia fahatsiarovana tokoa. Mitondra inona? Na eo amin’ny tena na ny firenena… “Tolom-panafahana, firaisan­kina ho an’ny fitiavan-tanindrazana” no lohahevitra tamin’ity. Mby aiza? Tsiahivina isan-taona fa tsy mbola vita ny tolona. Vao mainka mihamafy aza, mitombo an-dalana… Aiza ho aiza izay […]