Indraimbava

Mifamahofaho !

Nanomboka afakomaly ny fivoriana ara-potoana voalo­han’ireo Andrimpanjakana roa mpanao lalàna : ny anteni­mierampirenena sy ny antenimierandoholona. Maro ny laha­dinika voalahatra. Betsaka koa ny tolo-kevitra angatahan’ny herivelona rehetra mba ho dinihina. Anisan’ireny ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny firafitry ny vaomiera mahaleotena na ny Ceni. Fikambanana maro no efa manao ady […]

Zo sy adidy !

Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny firenen-drehetra maneran-tany, anio. Andro natokana mba hanaitairana sy hampahatsiahivana ny mpitondra fanjakana fa tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana izay voarakitry ny fanambarana iraisam-pirenena ho an’ny Zon’olombe­lona izany. Ny taona 1991, namoahana ny fanambarana voalohany tany Namibia no nanomboka, niketriketrehana azy ity. […]

Samy tompon’andraikitra

Hifarana ny herinandro! Ho lavalava ny fialana sasatra. Hanka­laza ny fetin’ny asa isika, ny alatsinainy ho avy izao. Andro iraisam-pirenena, iarahana amin’ny firenena maneran-tany izany. Ho an’i Ma­da­gasikara manokana, inona no andrasana ? Inona no mba ho fiantrai­kany amin’ny mponina, izay iaraha-mahalala fa latsaka anaty fahan­trana lalina ? Hatreto hetsika toy ny […]

Herisetra !

Tsy sasatra isika ny mamerimberina fa mirongatra izaitsizy ny herisetra amin’ny endriny samihafa. Tsy mifidy ny lasibatra, samy mizaka ny mafy na lahy na vavy. Nirongatra tato ho ato ny lehilahy namono tena noho ny fivadihan’ny rasa. Maro ny vehivavy mahasahy manohitra ny vadiny. Mahasahy mihantsy ny vadiny. Betsaka ny […]