Indraimbava

Mila fahaizana miara-miaina

  Mandeha araka ny tokony ho izy ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy. Milamina avokoa izany amin’ny ankapobeny, afa-tsy ny singa maningana toy ny tany amin’ny distrikan’Isandra, nifanala baraka ny kandidà ben’ny Tanàna laoranjy sy ny depiote. Tsy misy olana ny eto an-dRenivohitra izay taratry ny faritra rehetra. Ny tiana ho […]

Ady… hilaminana

  Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izao. Heverina fa tsy hisy fokontany na kartie hadino. Ady fiady… Mifankahalala ary miresaka ny amin’ny kandidà sy izay fandaharanasany hampandrosoana ny tanàna ny mponina sy ny isan-tokantrano? Tena akaiky vahoaka sy ifotony ny raha­raha: fampielezan-kevitra, fandatsaham-bato, fanisam-bato…. […]

Hafa ny manam-piniavana

  Ho tapitra sahady ny 100 andro, ho an’ireo minisitra notendrena farany teo. Hatreto tsy hita mihitsy aloha ny tena zava-bitan’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Azo isaina amin’ny ratsan-tanana ny departemanta mba mahavita asa mivaingana. Ny fanapariaham-pahefana sy ny fananan-tany izao no efa nahavita namoaka ny politikam-pirenena mahakasika izany. […]

Mahaiza misafidy!

  Raikitra indray! nisokatra omaly ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Maresadresaka ny tanàna. Afakafa-boly indray aloha ny vahoaka. Ny tsy misy atao afaka mikarama, manamaro isa. Ny tsy an’asa afaka manantena mana avy any amin’ny kandidà. Iaraha-mahalala fa misy ny fomba izay tsy hita ny maharatsy azy: ilay fanoloram-potsiny sy fihinanana ilay […]

Raha mba madio filalao

  Misy zavatra miseho tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy eto amin’ity Madagasikara ity. Tena mahavariana fa ny natao hanirina no mainka mampivandravandra. Ny natao hiaro ny vahoaka sy ny marefo no mivadika manao tsindry hazolena. Tsy tahotra sy henatra fa na mpiasam-bahoaka aza no anarany, mivadika ho mpandray baikon’ny fianakavian’ny […]