Nampiaka-peo ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mahakasika ny resaka famatsiana jiro any Toamasina. Efa afapo tamin’ny kiandrasoandraso izao ny fanjakana. Tsy mahavita ny iraka ankinina aminy ny orinasa tsy miankina nametrahana fitokisana. Mirona any amin’ny vahoaka kokoa ny fanjakana, raha ny kisary tiana havoaka. Miandry vokatra azo tsapain-tanana, araka […]
Indraimbava
Kilalaon-dravola
Raha misy olona mora tohina sy handairan’ny fandranitana ary ny fifampihantsiana angamba dia ny Malagasy. Tranga maromaro tao amin’ny tambajotran-tserasera no ahitana taratra izany ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy ny mivoy resa-poko, misy ny mifamotika amin’ny resaka filahiana sy ny sarim-bavy. Ny mpivavaka koa mifanala baraka, mifampidaroka amin’ny totohondry […]
Resy indray ry Gen Z
Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny maha ara-dalàna ny tetibolam-panjakana 2026. Midika izany fa laniny ny fampitomboana goavambe ny vola hoenti-miaro ny filohan’ny Fanavaozana, izay 6,8 miliara Ariary. Toy izany ny an-dry zareo ao amin’ny Antenimierampirenena, izay 89,8 miliara Ariary. Efa tsy azo iadian-kevitra intsony ireo. Mifanandrify amin’izay anefa, […]
Miandry daholo
Mandroso miandalana aloha ny resaka, hatreto, mahakasika ny fifidianana sy ny fikaonandoham-pirenena. Efa mazava ny zotra ho an’ny mpitondra sy ny vazaha eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena. Vonona amin’ny ara-bola ireto farany, raha ilaina. Ny fanjakana malagasy rahateo efa milaza fa tsy handingana ny taona 2027 ny fitantanany. Milaza ny […]
Mila fanazavana ny vahoaka
Nahoraka omaly, tamin’ny fitaovana fampitam-baovao fa misy an’izany andrana na « Essai clinique » mahakasika ny Mpox izany eto Madagasikara. Samy nitondra ny heviny sy ny fomba fiheverany azy ny olona. Tsy eny amin’ny hopitaly ihany fa hatrany anatin’ny fiarahamonina rehetra any dia nametra-panontaniana hoe: Inona indray re ity e? Ny […]





