Indraimbava

Mila pasohina indray mandeha! 

  Hisy… Tsy hisy… Resabe ny mahakasika ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ilay fikaonandoham-pirenena. Toa maro ny antony mampikatso azy: vola, fitaovana, indrindra ny finiavana. Ity farany angamba no lehibe indrindra. Raha vola zarazaraina maimaimpoana angamba tsy ahafahana milaza fa misedra olana amin’ny hoenti-manana. Ny vola misy fa ny hanaovana azy […]

Misalobon-komana!

  Tsy misy andro iray angamba tsy ahenoana fifandiran-kevitra eto amin’ity firenena ity. Manomboka amin’ny rafitra an-tanantohatra ambany izay, hatrany amin’ny fara-tampony. Miverina indray ny tsy fitoviam-pijery sy filalaovana lalàna ataon’ny mpahay an’izany. Tsy hay intsony, iza no tompon’ny marina sy ny tena izy? Samy mitondra ny lohany avokoa. Tsy […]

Ombay mitady

  Mazava indray aloha ny fanambaran’ny kolonely, Filoham-panjakana. Tsy hisy velively ny tetezamiitatra. Tapitra hatreo amin’ny fahavitan’ny fifidianana ny iraka izay tarihiny. Midika izany fa ho hazakazaka arahin-tosika ny zava-drehetra manomboka izao. Antony: henjehina hifanojo amin’ny tokony  ho fahataperan’ny fotoam-piasana ara-dalàn’ny filoham-pirenena, voafidim-bahoaka izany. Ny mpitondra ankehitriny rahateo efa iraha-mahita […]

Sahy hanova

  Hanao ahoana ihany ny fikaonandoham-pirenena? Amin’izany, hevitra mandeha etsy sy aroa, ohatra, ny hoe miainga any ifotony, raha tena hanao fanovana na fanorenana ifotony. Ho sahy hiatrika fifidianana, ka ny fifidianana filoham-pokontany no hatao mialoha ny mpanao politika? Aorian’izay, manaraka ny ben’ny Tanàna, dépiote, filohan’ny Faritra… Amin’izay, tsy misy […]

Miverina amin’ny taniny

  Miesona tanteraka ny valalabemandry! Noheverina fa efa mifoha kay mora lalaovina sy ampatoriana am-pitsanganana. Nanomboka nampametra-panotaniana ny fihodin’ny fanaovana politika. Nilaza tsy ho mpanao majia indray ny sasany fa mampiandry lava! Ny lazaina fa mpanjanaka sy tsy namana indray izao no lazaina fa ho mpiray ra amin’ny tena. Tsy […]