Indraimbava

Mahaiza maka lesona

Ô rey olona e ! tsy mivalona akory ny herinandro voalohany amin’ny taona, olona miresaka miaraka amin’ny onja miiba sy saina « ratsy » no henonao eny rehetra eny. Mahasadaikatra ny hiresaka ilay izy, kanefa nahavoa hatrizay io fanarontsaronana ny zava-misy sy ny loza manambana na mitatao amin’ny fiarahamonina io […]

Fidirana politika izao…

Mandritra ity volana ity, fifampiarahabana sy fifampirarian-tsoa hatrany. Arahaba soa, arahaba tsara. Mbola ao anatin’ny hoe fiatoana sy fitoniana politika ve izany? Voalazan’ny mpan­dinika sasany fa misy sy iainana hatrany ny hoe politika. Tsy azo avela ny fitondrana firenena, fitantanana tanàna… Ny politika mitondra amina adilahy no hoe tokony hatsahatra, […]

Saka beloha

Vita izay ny fety ! Fotoanan’ny asa avy hatrany isika. Na eny anivon’ny tokantrano na amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tsy maintsy mandroso isika, na inona na inona sakana. Tsy misy afaka ny hihalangalana satria adidin’ny olom-pirenena tsirairay no miahy ny ankohonany sy mitondra ny anjara birikiny ho an’ity tanindrazana iaraha-manana ity. […]

Mila miala amin’ny faran’ny lohany

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao. Amin’ny tonon-taona na fiandohan’ny taona toy izao, miraradraraka ny fifampirarian-tsoa. Mby amin’ny hoe ny hafaliana raha zaraina, mihamitombo; fa ny alahelo, mihamihena. Hatraiza no iainana izay? Tsy vitan’ny falifaliana na famalifaliana ny fiatrehana ny fiainana isan’andro sy ny famakivakiana ny taona; eny, na […]

Tratry ny farany e !

Hivalona anio ny taona 2022, arabaina nahatratra ny farany e ! Nmbinin-janahary ka velon’aina. Mbola hiriaria miaraka amin’ny fianakaviana sy ny mpiray tanindrazana. Hanaraka ny taona madiva ho tapitra anie ny ratsy rehetra niainana, ny sedra mafy nolalovana, ny fahantrana tsy maintsy nozakaina. Samia ho tafita soa, hahatsipaka ny anio daholo. Firifiry […]