Ny isavorovoroan-kilantoana? Mandeha ho azy sy efa mahazatra izay. Hatraiza? Rehefa misy ny zava-manahirana, mety mitranga sy mandeha ho azy ny fikoropahana, fisavoritahana, fikorontanana… Raha tsy tony sy milamina amin’izany ny tena, mety vao mainka manampy trotraka ny fahasahiranana, fahavoazana… Sarotra tsinona ny mitsara zavatra mbola eo am-pihetsiketsehana na eo […]
Indraimbava
Iray ny fanamby
Hifarana ny taona, manomboka ny fanaovana jery todika, ho an’ny isam-batan’olona, ny vondrona sy fikambanana, ary ny eny anivon’ny andrimpanjakana. Efa niaraha-mahalala anefa ny toe-draharaha niainan’ny vahoaka malagasy, sy ny firenena nandritra ity taona 2022 ity. Iza no tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana isan-karazany. Mijaly ny ankabeazan’ny mponina. Izao […]
Filaminana mitaky fitoniana
Tsy mbola milamina tanteraka ny raharaha politika eto amin’ny firenena. Niaraha-nahita, omaly, fa nametraka taratasy fangatahana ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny firenena tsara tantana, momba ilay fitsipaham-pitokisana. Andrasan’ny mpanara-baovao sy ny sarambabem-bahoaka ny ho tohin’izany. Indrindra fa mipoitra tsikelikely […]
Samy miandry !
Herinandro farany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny taranja baolina kitra isika. Betsaka ny voka-dalao tsy nampoizina hatrany am-boalohany, indrindra ho an’ny ekipa tsy nampidirina tany anaty lisitr’ireo sangany sy noheverina ho loha-laharana. Azo lazaina fa tomombana ny fanomanana tao Qatar, na betsaka azy ny kiana sy ny fanenjehana […]
Miandry voan-dalana !
Anisan’ny firenena iray voaasa hanatrika ny fihaonambe an-tampony “Etazonia-Afrika” i Madagasikara. Midika izany fa manan-kasina imason’ny firenen-dehibe, anisan’ny sangany maneran-tany isika. Miampy izay, maro ny teratany malagasy mahazo mari-pankasitrahana manokana noho ny “fahaiza-manaony” sy ny “traikefa” ananany amin’ny lafin-javatra maro, toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fisintonana lakolosy, na […]