Indraimbava

Entan-jaraina mora zaka

  Ho tanterahina any Toamasina, anio, ny filankevitry ny minisitra. Fivoriana isan-kerinandro tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Mampahatsiahy ny filankevitra mitety faritra ta­min’ny fitondran-dRatsiraka Didier sy ny praiminisitra Andrianarivo Tantely. Fanamafisana ilay faritany mizaka tena napetrany mba hanakaikezan’ny fahefana ny vahoaka. Vakilay tamin’ny fikasana hametraka ireo fanjakana federaly, hampahaleotena ny faritany, indrindra […]

Manolo-bato mafana

  Hivoaka anio ny lisitra ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, mahakasika izay ho kandidà depiote. Lisitra maha sasa-miandry sy mampitaintaina ho an’ireo izay mamim-bahoaka kanefa tsy anaty fitondrana na olona manana ny maha izy azy, saingy mety haharesy ny kandidàm-panjakana. Asa na ho tafa na tsy ho […]

Hevitra no ampiadiana

  Fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Fampielezana hevitra fa tsy vola, zavatra, fampisehoana… Hevitra izany no miady sy ampiadiana. Mby aiza? Raha ny marina efa tokony hiditra lalina amin’izany ireo mpirotsa-kofidina ny amin’izay antony irotsahany, izay karazana tolo-dalàna harosony, izay handreseny lahatra ny fahefana mpanatanteraka amin’izay asa andrasan’ny vahoaka aminy… […]

Mila mahay maka lesona

  Mandehandeha mahita raha! Sehatra iray mahaliana ny olona aty ambanivohitra ny resaka politika. Tsy mifidy toerana lalovana fa izay hijanonana dia mitovy ny tadindokanga: Inona no malaza any Iarivo any? Inona ny vaovao? Ahoana ity vidim-piainana ity? Mankaiza ny zotran’ny fifidianana depiote? Ambetitenin’izay hivantanana na hijanonana ireo. Hita ny […]

Traboina mandavantaona

  Ao anaty fahasahiranana ny mponin’ny tapany avaratry ny Nosy amin’izao, vokatry ny rivodoza farany teo: miakatra ny vidim-piainana noho ny fahatapahan-dalana, naman’ny afoy ny fambolena difotry ny rano… Fotoam-pifidianana koa izao, ka tsy vitsy ny karazana hetsika etsy sy eroa: fidinana ifoton’ny mpanao politika sasany, fizarana fanampiana… Mifangaro voraka […]