Mihazakazaka be amin’izao ny fivoarana sy fampiasana ny haitao vaovao, avo lenta, mivelatra… Tsy azo ihodivirana fa azo ampiasana azy avokoa ny sehatra rehetra: manamora ny fiainana, manafaingana izay atao, mampandroso… Mampifanakaiky izay mifanalavitra, ohatra, ny haitao. Misy na tsy ilaozan’izay lafiratsiny toy ny zavatra rehetra izay fihazakazahana amin’ny […]
Indraimbava
20 taona ny gazetintsika!
“TARATRA ny anarany. Hitaratra ny zava-misy rehetra, na eo amin’ny tontolon’ny fihariana sy ny toekarena na koa ny tontolo politika. Hizara aminao ny ezaka sy ny olana mbola sedrain’ny fiarahamonina. Hitatitra ny vaovao ara-panatanjahantena sy ny alavoly. Hanolotra ny mahaliana avy any am-pita, izay tsara arahina noho ny fitsokan’ny […]
Mila fanarenana…
Mampitampim-bava sy mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Ny olon-dratsy ve no mihamaro sy mihamatanjaka sa ny fanjakana, amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana, ohatra, no tsy maharaka? Na tsy hita loatra ny hoe fanjakana manakaiky vahoaka. Toy izany koa ny hoe mpitandro filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany. […]
Olona… olana
Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanolanana… Inona koa? O rey olona e, fiarahamonina inona loatra no iainana amin’izao? Olona avokoa no iavian’izany karazan-doza izany, olona koa no ianjerany sy mitondra faisana. Sanatria, misy ny olona mihabiby: tsy mahalala izay tokony hataony, tsy mahaavaka ny tsara sy […]
Fanajariana vahoaka
Lehibe, voalohany, maika amin’ny asa fampandrosoana ny fiainam-bahoaka amin’izao? Ny maha olona hoe anisan’ny loharanon-karena amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Izay ilay hoe sosialim-bahoaka. Tsy hisy hadino? Ho hita eo… Fa manao ahoana koa ny vahoaka ifotony amin’izay fihetsehana sy fisitrahana fampandrosoana izay? Vonona hiova sy hiasa ary […]




