Indraimbava

Ratsy tarehy mangata-bady

  Manomboka sahady ny fisotasotana sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny kandidà sasany. Mafy ny tsindry amin’ny tokony hahalany azy amin’ny faritra misy azy. Zava-doza rahateo ny manjo azy ireny raha sanatria tsy lany kanefa nahazo «mandat » na ilay fahazoan-dalana hampiasa ny anaran’ingahy Filohan’ny Repoblika. Tsy nomena fahatany akory ireny […]

Samy fetsy

  Toy ny mahazatra ny Malagasy, izay tsy manao zavatra raha tsy ampotomoty sy miandry amin’ny ora farany dia nihazakazahana ny fanaterana antontan-taratasy filatsaha-kofidina, omaly. Nanaitra ny nahita ny kandidàm-panjakana. Ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta no lohalisitra any amin’ny faritra niavian’izy ireo. Inona no antony? Samy manana ny paikady politikany […]

Sao mikolokolo kolikoly

  Tsy hahomby izay ady amin’ny kolikoly raha tsy ny toe-tsaina no miova, raha ny tenin’ny tomponanandraikitra iray eo anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Aiza ho aiza izay fiovana sy fanovana toe-tsaina izay? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena resy lahatra amin’ny ady atao? Fanetriben’ny firenena ny kolikoly: tsy […]

Samia tomponandraikitra

  Vao mihiratra ny voamaso ny maraina dia karazan-doza no mandrakotra ny tambajotran-tserasera. Maty etsy, mitsirara sy maratra eroa. Manginy fotsiny ny loza voajanahary izay mampitondra faisana ny tsy manan-tsiny. Miraradraraka ny ra! Izay tsy manan-katao hitsaboana dia manampy isa ny maty tsy tra-drano. Hatreto, tsy mbola misy andro mihiratra […]

Mamono lolo

  Mahasanganehana ny zava-misy any ambanivohitra rehetra any, ankehitriny. Manjaka ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana indray sanatrian’ny vava no atody miady amam-bato. Sodokan’ny ranty an-tanàn-dehibe Rama­la­gasy. Fiara tsy mataho-dalana am-polony, kamiaobe tsy tambo isaina no mifanaretsaka rehefa misy seho iray. […]