Indraimbava

Ady anaty… miseho ivelany

  Misy ady anaty ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao: iza no ho kandidà aiza? Amin’ny fifidianana depiote io. Misy ny efa mitonon-tena eny amin’ny vahoaka amin’izany fa vonona, ny mandoka tena amin’ny fitanisana zava-bita sy izay mbola hatao, ny matoky tena ka miandry amim-pitoniana izay ho fanapahan-kevitry […]

Safidy tsy voavidy

  Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Amin’izany, efa misy mihetsika ireo kandidà na manolo-tena na te hatolotry ny vondrona na antoko politika misy azy: midina ifotony, manambitamby vahoaka, mamalifaly… Misy mahavatra mandoka tena amin’ny asa vita. Mby amin’ny hoe fomba fiady ihany izany, na misy tsy mendrika […]

Mihodinkodina am-pitoerana

  Anatin’ny vanim-potoana hanomanana sy hiomanana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ny Malagasy ankehitriny. Andaniny, amperinasa tanteraka ny mpikarakara toy ny birao mahaleo-tena momba ny fifidianana na ny Ceni. Efa mamaramparana ny mpamita lisi-pifidianana. Samy midehadeha kely eny amin’ny tambajotran-tserana toy ny facebook ny isam-paritra fa nahatomombana ny iraka nankinina taminy. […]

Vola fô mikoragna !

  Mahoraka ny famonoana olona ankitsirano, tsy mandalo fitsarana ataon’ny mpitandro filaminana. Samy hisehoan’izany na ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe. Tsy mifidy lasibatra io fa na olon-tsotra na samy mpitandro filaminana aza. Izay maty dia maty tsy misy tohiny. Toa zary voadingana ny resaka zon’olombelona hahazo fitsarana ara-drariny. Betsaka ny fanazavana […]

Lasa tandra vadin-koditra

  Milamina sy mangingina hafahafa izany ilay andavanandron-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Toa tsy misy ny olana fa mizotra tsimoramora eny ilay fiainana. Efa mionona amin’izay miseho na tsy manjary aza ny ankabeazan’ny olona! Zary fahazarana ny miaina anaty zava-dratsy. Izay tsy manaraka ny onjany no toa hafahafa sy voailika. […]