Vita iny ny fankalazana ny fetin’ny Paka. Nitondra inona eo amin’ny fiainan’ny tena na ny tsirairay? Mba tsy hoe mahazatra na fombafomba, na sanatria tsy nasiana heviny sy tsy nomen-danja fa mandeha ho azy. Mandeha hatrany ny fiainana… Mby aiza? Fitsanganana tamin’ny maty ny hoe Paka. Mba misy koa […]
Indraimbava
Mitomany ny tany
Mampalahelo ny zava-misy iainan’ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Dibo-drano, rava fananana, mitoka-monina ireo nolalovan’ny rivodoza Gamane. Misy ny namoy ny ainy, teo ireo nilaozan’olon-tiana tampoka. Mifanindran-dalana amin’izany, ny faritra hafa, izay handihizan’ny olon-dratsy. Fongana anatin’ny indray mipi-maso ny fananana nohariana aman-taonany. Firifiry no namoy ny aina ihany koa […]
Tia tanindrazana hoe ?
Hanamarika ny andron’ny 29 marsa isika eto Madagasikara rahampitso. Andro manan-tantara tokoa mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny tontolo iainan-dRamalagasy, ankehitriny. Tolona izay voalaza fa nanafahana teo ambany vahoan’ny mpanjanaka. Tolona namoizana ain’olona amana hetsiny. Tolona manamarika ny fitiavan-tanindrazana « tena izy ». 77 taona aty aoriana, manao ahoana ny […]
Lalao madio !
Manomboka anio ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’izay maniry ho solombavambahoaka. Midika izany fa roso tsa mipody koa ny fanoloana ireo eny Tsimbazaza. Hatreto, milamina ny zava-drehetra, na efa misy aza ny ady saritaka any anaty antoko sy fikambanana isan-karazany any. « Tsy manakana ny omby tsy ho […]
Mankany mankany …?
Mandeha mankaiza marina ity firenentsika ity. Tsy hita ny teny ilazana ny fidangan’ny vidim-piainana. Tena tsy mitsahatra andro aman’alina fa mirimorimo izaitsizy. Tena mahakivy ny mahita ilay kapoakam-bary efa mananika ny 1 000 hatramin’ny 2 000 Ariary, arakaraka ny faritra. Toraka izany ny siramamy, misy efa 7 000 Ariary […]





