Indraimbava

Tsy matimaty fahatany

  Nanamarika ny andron’ny 7 febroary, omaly, ny mpitondra fanjakana sy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, 15 taona lasa izay. Nangorom-potsy toy ny fanao isan-taona teny Ambohitsorohitra, nandritra ny fotoana nanateram-boninkazo. Nifoha indray ny tsiahy ny ra nandriaka sy ny aina nafoy noho ny fitakiana fanovana sy fiovana tamin’ny fitantanana […]

Tsy mila mandrimandry

  Raha mbola tsy misinda akory ny valanareti-maso, izay efa mielipatrana manerana ny Nosy, mananontanona indray ny aretina mivalan-dra na ny « Choléra ». Tsy mbola misy ny trangan’aretina eto Madagasikara, saingy ny fahamailoana no efa tsy maintsy atao. Efa naka fepetra ny avy amin’ny fiadidiana ny governoran’i Mahajanga. Nanao […]

Mirimorimo izaitsizy !

  Raha nampikaikaika ny maro ny fitarazohan’ny volana janoary, poa toy izay dia hanjavona ity volana itsahantsika ity. Tsy hita izay zava-bita! Vao mihodina kely, efa herinandro vaovao. Volana anisan’ny fohy indrindra rahateo anatin’ny taona, na taona “bissextile” aza izany amin’ilay 29 andro. Mirimorimo ny fotoana, tsy azo tanana. Izy […]

Ny maha olona tsy misy hadino

  Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fanolanana, fisandohana, fihanaky ny zava-mahadomelina… Izany ny fiarahamonina malagasy amin’izao. Ao anatin’ny fahalavoana na fahalovana? Fahantrana no antony, na izany no vao mainka mampahantra fa mitambotsotra andro aman’alina ny maha olona. Na sanatria efa mihabiby ny sasany… Izany no hoe fandrosoana? Nefa hoe ho […]

Hahita ny tsy fahita

Neken’ny parlemanta ny tolo-dalàna famaizana ny mpanolana. Dia hahita ny tsy fahita, hiaina ny tsy fiaina izay tra-tehaka manao izany. Hiditra amin’ny famosirana simika atao amin’ny filahiana i Madagasikara, afaka fotoana fohy. Iza re ny lehilahy haniry izany e? Mba hampiova ireo zatra ny lalan-dririnina amin’izay ity lalàna vaovao ity. […]