Miroso tsikelikely amin’ny fametrahana ireo mpikambana handrafitra ny ekipa, hamita ny iraka, ny fiadidiana ny Repoblika sy ny primatiora. Efa mipoitra ireo mpamono baolina, ny irakiraka, indrindra ny mpiandry vodilaharana. Mandeha tsimoramora ny fifantenana. Misy ny ekipa manao be fiavy amin’ny fanesorana sy fanoloana mpilalao. Misy ny tsy taitaitra […]
Indraimbava
Tombontsoan’ny besinimaro
Andao mba hiresaka asa fanaovan-gazety anio! Tsy misy antony manokana loatra fa ny andraikiny manoloana ny zava-miseho no handeha ho asian-teny. Tanjona ny mba hialana amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Na eo amin’ny sehatry ny asa izany, na eny amin’ny fianana andavanandron’ny mponina. Resabe ireny […]
Toe-tsaina miiba
Nahoraka omaly, teto an-dRenivohitra sy tamin’ny tambajotran-tserasera ny fako misavovona eny Anosipatrana. Tapaka tanteraka ny lalana, ary manomboka marary ny mponina. Tafahoatra ny havoretran’ny tanàna, izay mainka mandetika ny mponina any anaty fahantrana mangitsokitsoka. Zava-doza, 80% amin’ny mponina, izay manatona toeram-pitsaboana dia mararin’ny loto avokoa. Asa! Miova sata miova […]
Mpanentsin-keloka !
Trangam-piarahamonina iray tena nahakivy sy nahaketraka ary nahatezitra no nitranga omaly, teny Manarintsoa. Maty noho ny kapoka nataon’ny raikeliny hoe ilay zazavavikely? Nahaontsa ny nijery ilay vaovao niely. Tena nanohina mafy ary samy naneho fihetsehampo daholo izay nahita tamin’ny tambajotran-tserasera. Homboy ! homboy ! sambory ! gadrao ! izany avokoa ny antsoantson’ny mpanara-baovao. […]
Tan-dalàna
Mirongatra ny fakana an-keriny, fanolanana, herisetra… ? Eo koa ny fisolokiana, fisandohana, fanambakana… Misy ny hoe tsy matahotra na iza na iza, fa mahalala olona, hono. Fahantrana no hoe antony? Mahantra hatramin’ny saina… Fa lehibe koa ny tsy fanarahan-dalàna, tsy fahatahorana na tsy firaharahana fanjakana: na mpitandro filaminana io, […]




