Misary ho maty momoka ny hetsiky ny kandida 11 mirahalahy. Mangingina sy variana amin’ny ady hevitra diso toerana ny rehetra. Andaniny, voizina mafy ankehitriny ny resaka karazan-daisoa. Politika anefa no lalaovina fa tsy fifaninana mahandro. Toa mivadika fanabarabarana ny vahoaka malagasy, miandrandra fitoniana ny resaka. Sanatria mandatsa aman-kanina ireto […]
Indraimbava
« Cosafa women’s cup »: vonona hidona amin’ i Eswatini ny Barea
Hiditra an-tsehatra, anio alarobia, ny Barea de Madagascar, sokajy vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tapany atsimon’i Afrika na ny “Cosafa women’s cup 2023”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Lucas Moripe, Afrika Atsimo, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eto Madagasikara. Hidona voalohany amin’ny Barea, ry zareo Eswatini […]
Fiarahana mamoafady
Samy manao izay mahafalifaly ny fony, ara-bakiteny, ireto mpanao politika. Andaniny, mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tsy mankasitraka ilay rafi-pifidianana. Ankilany, manohy ny adiny sy ny lamina anatiny ny kandidà vonona ny hifaninana. Tsy hita fa izay ilay demokrasia ara-bakiteny aminy! Demokrasia misavorovoro anatin’ny fahasamihafana fa manaja ny hodidina maha […]
Hitokona sa hifidy ?
Vita iny ny omaly ! Ny ambany ihany no mafy fa nilamina ny tanàna. Tsy nisy ny korontana sy ny endrika fandikan-dalàna ka mety nitarika fandrobana na fanimbana fananam-bahoaka. Voafehy ny toe-draharaha teto an-drenivohitra. Samy namonjy fodiana ny rehetra rehefa samy avy namita ny adidiny teny an-toerana: ny mpanao fihetsiketsehana […]
Fiovaovana toetra… hambo
Valanaretina covid-19, krizy vokatry ny adin’i Rosia sy i Ukraine, fiovaovan’ny toetr’andro… Ireo no ady atrehin’izao tontolo izao tato ho ato izay, tsy mahafa-bela tanteraka. Anisan’ny manahirana amin’izao ny fiovaovan’ny toetr’andro, saika tafahoatra: mahafaty olona rehefa tena mafana, mahatondra-drano raha vao avy orana… Miovaova be ihany, ohatra, ny taom-pamokarana sy […]




