Tsy taitra, tsy maika, kanefa tsy tara ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Mandritra ny fotoana mampisahotaka ny olon-drehetra, izy tsy andrenesam-peo. Miezaka ny mizara traikefa amin’ny tanora sy ny fandraharahana no imatimatesany. Mbola mangina tanteraka ny lehilahy raha resaka politika. Mbola miompana amin’ny toekarena sy sosialy ny fampielezan-kevitra […]
Indraimbava
Miroso tsikelikely
Mandeha tsimoramora ny fikarakarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, hatao ny volana novambra ho avy izao. Efa samy maharay tsikelikely ny karatra ahafahana mandatsa-bato sy mirotsaka ho fidina ny isam- batan’olona. Ny mpanao fampielezan-kevitra savaranonando, manohy ny fitetezam-paritra. Hatramin’ny kandidà milaza fa manohitra ilay fifidianana aza anefa mihaona sy […]
Mila fitsaboana
Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Misary milamindamina ny andavandrom-piainan’ny vahoaka. Sahalan’ ny olona tsy manana olana avokoa. Asa ? Efa vita vaksiny amin’ny fijaliana sy ny fahantrana lalina angamba ka tsy maheno hirifiry intsony. Toa tsy misy taitra amin’izato vaovao miely fa nihena hatrany amin’ny 50 % anie ny zaza niditra […]
Malailay fonosana
Efa tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina. Azo antoka fa hiditra tanteraka anatin’ny fiainana politika sy ny ho fiatrehana ny fifidianana izy. Akory anefa ny hagagan’ny mpanara-baovao fa tsy nipoitra teny amin’ilay fampanantsoan’ny FFKM, omaly hariva izy. Solontena no nalefa izay nivoaka niditra […]
Fifidianana ihany !
Nahoraka tato anatin’ny andro vitsy ny fangatahana fanemorana fifidianana, rehefa tsy nahomby ny fivoizana ilay resaka korontana. Mbola misy vondron’olona tsy fanta-piaviana izany mivoy rahateo ny fidinana an-dalambe. Samy mampiaka-peo eny amin’ny tambajotram-pifandraisana. Sanatrian-dresaka ny manome tsiny, fa ireo mivoy ho mpisoroka ny korontana no mamboly korontana. Mibaribary ny […]




