Fanambarana etsy, fanehoan-kevitra eroa. Samy manao izay efany sy afany ny rehetra, na ny andaniny na ny ankilany. Amin’izany, misy ny alaim-panahy fa izay miteny matetika sy miteny mafy ary manana fahasahisahiana ratsy miteny no hoe manana ny marina, ekena, tokony harahina. Misy tonga amin’ny fanalam-baraka, fanaratsiana, fanosoram-potaka… Vitan’izany ve […]
Indraimbava
Tsy ranon’Ikopa !
Nakotrokotroka ny fametrahana ny vovonana Union des Pro Andry Rajoelina na ny UPAR. Natao ivondronan’ireo mpanohana ny filohan’ny Repoblika teo aloha. Tsy nanavahana sokajin’olona fa nanamafisana ny hery velona rehetra vonona ny hampandany azy indray amin’ny fotoam-pitondrana faharoa. Namerenana am-bala ireo nisintaka. Nanambatambazana ireo nahatsiaro tena ho voahilika. Fotoana […]
Saka beloha
Miova isan’andro ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Manaraka ny sitrapon’ny mpilalao sy ireo milaza ho matihanina anatin’izany. Jereo izato fivondronan’ny kandidà. Mivoaka miditra toa lelon-jaza. Ny tena mahasadaikatra dia ny fomba fiadin’izy ireo toa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoa andrasan’ny vahoaka. Raha ny angom-baovao natao, misy ny fitiavana te […]
Miara-mirona
Aiza isika no tsy hilamina eo !? Izao tokoa ilay isavorovoroan-kilantoana. Manao rano lava amin’izay ny fanambarana fanohanana ny kandidà izatsy na izaroa. Nangina vetivety ny ady saritaka teo amin’ny kandidà hoe hanao sy tsy hanao. Milamindamina ny raharaha politika, omaly. Efa nivadi-dela ny ankamaroan’ny komity mpanohana. Zary nifaninanana indray aza […]
Teti-panorona
20 andro sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinana voalohany. Hatramin’izao anefa, mbola manjavozavo ny tena fandehan’ny raharaham-pirenena. Samy manao izay mahafalifaly ny fony sy ny sainy ny ankolafin-kery samihafa. Tsy misy sahy mandray ny andraikitra mifanaraka amin’ny foto-keviny. Lany andro manao […]




