Indraimbava

Manahirana !

  Tsy hita be ihany ny iainana eto an-drenivohitra, manoloana ny fivoaran’ny toetr’andro. Nampikaikaika ny haintany sy ny tsy fisian’ny rano tamin’ny faran’ny taona. Izao, dobo-drano indray ny ankamaroan’ny faritra. Vaky ny fefiloha, petsapetsa ny tanàna, mitsikafona ny maloto. Misy ny tsy manankialofana andaniny, misy ny tandindomin-doza amin’ny aretina isan-karazany, […]

Fahasahiranana mba aoka…

  Fidangan’ny vidim-piainana, fahasahiranana noho ny haintany… Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, ny olana amin’ny famatsian-jiro… Izany no manahirana ny vahoaka amin’izao, tanisain’ny mpanao politika sasany fa mila fifanatonana, fifampidinihana, vahaolana. Izay ela izay, tsy nisy resaka firy an’izany na tanisaina lava aza ny fahasahiranam-bahoaka. Noho ny […]

Mifamono

  Nahaontsa ny maro ny zava-nitranga, omaly. Aina roa no indray nafoy, vokatry ny taribin-jiro tsy voaaro eny anivon’ny fiarahamonina eny. Nandatsa-dranomaso ny maro ny nahalalana fa niezaka ny nanala sy nanavotra ny namany ny iray. Tsy nisy azo nialana nenina fa niara-nody any amin’ny Ray, tao anatin’ny indray mipi-maso […]

Fahanginana hafahafa

  Inona no zava-miseho? Mahagaga fa dia mangina tanteraka ny tanàna. Tsy andrenesam-peo ny politika. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana dia tsy hita be ihany. Izay mba hangatahana fihaonana dia misafidy ny manakombom-bava. Izy angatahina hiresaka an-gazety indray no tezitra. Inona marina no zava-miseho. Ny azo ambara aloha, hita ho […]

Firaisankina

  Miaina anatin’ny karazan-tsedra maro ny Malagasy, ankehitriny. Tsy asiana resabe intsony ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Iaraha-mahita fa latsaka an-katerena hatrany anaty vilany. Ny hohaninana anio, tadiavina raham­pitso, hoy ny sangisangy zaritenan’ireo bokan-trosa. Tena sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’ny olona. Tsy izany anefa no atao fitaovana hoenti-manakorontana ny firenena. […]