Indraimbava

Samy milomay

Mandeha tsikelikely ny firosoana any amin’ny tetezamita ka ahafahana manatanteraka ny fifidianana. Efa nivoaka ireny ny datim-pifidianana vonjimaika. Hanao fitsapan-kevi-bahoaka sy hifidy izay ho filoham-pirenena ny Malagasy amin’ny taona ho avy. Efa mipetrapetraka ny fanomanana, hoy ny vaomiera mahaleo tena misahana izany. Miandry ny ankolafin-kery hafa sisa satria mbola miandry […]

Malemy ilay fanjakana?

  Tsy mbola nisy angamba tao anatin’izay 60 taona izay fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka hahemotra 10 andro any aorian’ny nivoahan’ny didim-panjakana. Raha ny zava-misy ao anivon’ny minisiteran’ny Jono dia mahalasa saina. Mitarazoka sa iniana ampitarazohana ny fifamindrana asa eo amin’ny sekretera jeneraly vaovao sy ny nesorina? Taratry ny fahalemen’ny fanjakana […]

Hafakely ilay Malagasy

Tena tsy mbola nisy tato anatin’ny 60 taona ara-bakiteny ny ankamaroan’ny zava-mitranga amin’ny tontolo politika eto Madagasikara! Taiza no misy fanendrena mpiasam-panjakana ambony, vao tsy miely akory ny vaovao dia efa manebaka eny amin’ny tambajotran-tserasera ny mpiasa. Mahatonga saina sy mampametra-panontaniana ny zava-miseho? Tombontsoa goavana manao ahoana loatra ny ao […]

Mifanaraha tsara aloha!

  Nahavariana ny tsy fitovian’ny fanambarana nataon’ny samy henjana omaly, mahakasika ny fisamborana depiote iray. Mifanipaka an-karona sady imasom-bahoaka izy mianadahy? Tsy hidirana lalina ny votoatin’izay voalaza. Samy mpanao politika ireo, afaka ny mifandetika no mifampiaro. Ilay vahoaka tratry ny sangodim-panina fotsiny no manahiran-tsaina. Tsy mahagaga izany, raha ny fanaovana […]

Ny teo ihany no eo!

  Hiaka-dapa, anio, indray ny mpikambana ao amin’ny fahefana mpanao lalàna, eny Tsimbazaza. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny solombavambahoaka. Handrasana izay ho fivoarany, fa ny iaraha-mahita aloha, mbola mijaridina tsara ilay andrimpanjakana. Tsy mihontsona amin’izay fitakiana fandrodanana azy, nataon’ny Gen Z. Raha atao indray […]