“Mandeha ny mandeha!”, hoy ny fitenin-jatovo izay. Tena manao tokoa aloha ilay mpitondra raha tsaraina amin’ny endrika ivelany. Ny vola misy, ny aina rahateo matanjaka, ny fiaraha-miasa sy fanampiana mirarakompana. Azo lazaina tsy hisedra olana intsony aloha ny fampandehanan-draharaha. Miroso ny zava-drehetra ary mandeha araka ny tokony ho izy […]
Indraimbava
Madagasikara-Rosia : Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa
Tanterahina anio, eny amin’ny biraon’ny masoivoho rosianina, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny faha-81 taona nahazoana ny fandresena tamin’ny ady lehibe faharoa. Lanonana izay notarihin’ny mpiraikidraharaha, mpisolo toerana, Alexei Buriak mivady. Nasongadiny nandritra ny lahateny izay nataony, fa nitondra ny anjara birikiny lehibe tamin’ny ady ny fireneny, nanoherana ny fasisma. Nambarany […]
Manao fitan-droa
Tao anatin’ny volana vitsivitsy, mihamena avokoa ny famantarana eto amin’ny firenena. Miverina ny rano tsy ampy. Manomboka ny delestazy izay nilokalokana ny fahataperany. Ny vidim-piainana moa dia miaka-midina toa lelon-jaza eny. Ny tsy fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka miara-mivarina any amin’ny fiibana faobe. Angaha hita izay fiovana! Amin’izao fotoana izao, mampikaikaika […]
Mitety tany
Efa mahazo faka tanteraka ny fitondran’ny miaramila ny tanàna. Efa mitety vazantany sy manatrika fivoriana iraisam-pirenena maro ny Filoha sy ny ekipany. Midika izany fa tsy manana olana amin’ny sehatra iraisam-pirenena intsony i Madagasikara. Resabe sisa ny mahakasika izay sazy arangarangan’ny fikambanana iraisam-pirenena. Efa mahazo avara-patana ny Malagasy. Lavina […]
Dieny izao…
Hatramin’izao, tsy mazava be ihany amin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena ity hoe fikaonandoham-pirenena. Miainga any ifotony, eny anivon’ny fokontany? Izay vao miakatra eny amin’ny kaominina, distrika, Faritra… Amin’ny fomba ahoana na iza no hikarakara, iza no handray anjara… ? Zavon-tany ny fanontaniana. Mila valiny, fanazavana.. Ndrao izay hatao hamahana olana indray no […]




