Indraimbava

Mitsapatsapa

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny fanambaran’ny kolonely iray izay efa mitsoa-ponenana. Nitaona ny miaramila hikomy sy hanohitra ny fitondrana izy. Nanontsana ny mpanao politika ingahy manamboninahitra. Nilaza ho mpanavotra an’i Madagasikara. Namaky bantsilana ny fifanarahana nifanaovany tamin’izany fotoana. Dia toa anjely tsy misy pentina ny filazany azy. Manolona izany, namaly […]

Iri-mahaory

Nijohy tokoa moa izany raorana tao anatin’ny andro vitsy, teto an-drenivohitra. Velombolo aoka izany ny olon-drehetra. Mba nionona tamin’ny kitatitaty rano amin’ny bidon sy ny sinibe. Niala tamin’ny filaraham-be tsy nahitam-bokany. Migalabona aloha raha rano hosotroina, ny handrahoana sy ny handroana. Raha milaza fa sahirana ara-drano dia efa mandainga sy […]

Don-tandroka

Asa re inona no hiseho? Hoy ny fanontanian’ny maro, manoloana ny zotra politika eto amin’ny firenena. Andaniny, ny mpanohitra, mandrangaranga ny tsy fanekena ny voka-pifidianana. Milaza ny hanao hetsika mihitsy ho fitsipahana ny “ fanodinkodinana ny vatony”. Hidina an-dalambe raha ilaina izany. Asa inona no koninkononina eny Bel’air eny? Efa […]

Soa toa lavina

Voalazan’ny mpandinika fa ny kolontsaina sisa tavela raha very na hadino avokoa ny zava-drehetra. Mby aiza izany eto Madagasikara amin’izao taranaka sy fotoana izao? Toa izay kolontsaina maha izy azy ny tena izay indray aza no mila ho very, hadino, rava… Antom-pisiana sy fototra iainana io: fahatahorana an’Andriamanitra, fitandroana aina, […]

Faharavana apokaliptika!

Tsy i Madagasikara irery akory no may fa izao tontolo izao mihitsy. Nanaitra ary mampametra-panontaniana ny faharavan’ny tanàna maro any Los Angeles hatrany Hollywood. Tsy mahahenjana ny henjana ny loza voajanahary. Ana hetsiny ny traboina sy rava fananana. Trano an-tapitrisany dolara, fiara maro no lasa lavenona. Loza tsy azon’ny saina […]