Mafanafana ratsy toy ny ratsy ataon-kavana. Izay ny politika amin’izao? Tsy mahagaga, tsy atao mahataitra… Ao anatin’ny taom-pifidianana, miakatrakatra ho azy ny maripana amin’ny adihevitra sy hetsika politika. Miady sy misisika mafy handemena ny fitondram-panjakana, ohatra, ny mpanohitra. Misy tonga amin’ny karazana famendrofendroana, fanozongozonana, fanakorontanana… Atao avokoa ny karazana hetsika […]
Indraimbava
Mila mandini-tena
Tonga soa aman-tsara tany Mananjary ny Filoham-pirenena, nitondra vonjy ranovaky ho an’ny traboina. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka madinika ny fahafoizan-tena sy fanakaikezana ny vahoaka eo ambany fiahiana. Velombolo ny mponina na tsy ahafapo sy hahavaly ny filàn’ny tsirairay aza ny fanampiana. Tsy azo tsinontsinoavina ny firaisam-po sy ny fiaraha-mizaka ny […]
Sarotra ny fandidiana !
Dila tanteraka ny rivodoza Freddy. Anatin’ny fanisana ny traboina sy fanombanana ny zavatra simba isika, ankehitriny. Efa nanao be midina tany amin’ny distrika tena voa-mafy ny iraky ny Filoham-pirenena. Nanao vonjy ranovaky, nitondra izay voa tsy rambin’ny tanana. Efa any an-toerana, mitondra izay vitany koa ny ankolafy sy vondrona samihafa, […]
Politika avokoa…
Politika avokoa izay mitranga sy atao rehetra amin’ izao? Azo heverina ho misy antony amin’izany, na izay tsy inona aza. Na dika politika io, na vokatra politika. Ao anatin’ny zotram-pifidianana izao. Tsy azo ferana tsy handeha amin’izany ny fisainana sy fitsarana amin’izay mitranga sy atao rehetra, indrindra eo amin’ny mpanao […]
Rivo-doza !
Mbola tsy sitrana ny fery navelan’i Batsirai, efa nanao ny nataony koa ity ingahy Freddy. Mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny hetraketraky ny natiora ny vahoaka malagasy. Maro ny rava fananana, betsaka ny tanàna efa dibo-drano. Ho maro ny traboina. Raha ny tombantomban’ny manampahaizana, mety hahatratra 2 tapitrisa ny olona […]




