Indraimbava

Ho raharahabe !

Nahoraka ny tositosika sy ny fifanasana vangy, ary niafara tamin’ny fianjerana mpitandro filaminana, nataon’ny mpanao politika iray, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niteraka fanehoan-kevitra samihafa izany. Andaniny, nisy ny nankasitraka sy nipao-tsatroka tamin’ny fahasahian’ingahy depiote nijoro tamin’ny heviny. Raha ny fantatra manko, efa nahazo alalana izy ireo hanao […]

Kirizim-pitokisana lalina

Mangingina ny tanàna, tsy hay mazava izay fonosiny. Tsy mbola mamerovero toy ny mahazatra ny asaramanitra. Tsipoa­poaka manako tsindraindray no manamarika fa manakaiky ny fetin’ny 26 jona. Ilay fananganan-tsaina isan-tokantrano tsy hanaovana resabe intsony, efa toy ny tsy misy. Zary very tante­raka ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahaiza-miaina mifanaraka amin’izany. Nofinofy […]

Fandinihan-tena amin’izay atao izao

Hanao ahoana ity raharaham-pirenena ity? Mampanon­tany tena ny sasany, mampiroaroa saina, mampanahy… Hisy ihany ve, ohatra, ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity? Na hiditra amin’ity hoe Tetezamita… Tsy ampy ny fanazavana? Na tsy maharesy lahatra, tsy arakaraka ny zava-misy sy ny atao izay lazaina… Lasa mahabe resaka amin’izao ny […]

Miandry voandalana tsara !

Any Lafrantsa indray ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Tsy re tsaika ny fiaingany. Tsy mba nolazaina mialoha, toy ny mahazatra ny fandaharam-potoanany, raha tsy efa any an-toerana izy. Na izany na tsy izany, zava-dehibe ho an’ny hoavin’i Madaga­sikara sy ny tontolo politika no nandehanany any. Tsy azo tsinon­tsi­noavina rahateo ny fifandraisana […]

Krizy lalina

Mampalahelo ny zava-misy eto Madagasikara. Manom­boka eny ifotony rehetra eny ny olana mipaka amin’ireo heverina ho lohan’ny firenena. Taiza sy oviana no nisy izany hoe tsy mifanome hasina intsony ny andrimpan­jakana. Tsy tahotra tsy henatra, imason’olon-tsotra, ivelan’ny rafitra sy ny mpanao gazety, no mifandramatra toa zaza mifana­rakaraka ireto olom-boafidy. Efa […]